Isaiah 16

Unga e koutou nga reme ki te rangatira o te whenua, i Hera i te koraha, ki te maunga o te tamahine a Hiona.
Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
Kei te manu haereere noa hoki, kei te mea i maka mai i te kohanga, te rite o nga tamahine a Moapa i nga kauanga i Aranono.
Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
Kia takoto te whakaaro, whakaritea te whakawa; ko tou whakamarumaru i te poutumarotanga kia rite ki te po; huna te hunga i peia; kaua te atiutiu noa e whakaaturia.
Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
Tukua aku whati kia noho ki a koe; tena ko Moapa, ko koe hei piringa mo ratou kei mate i te kaipahua: kua kore hoki te kaiwhakate, mutu pu ta te kaipahua, kua poto atu nga kaiwhakatupu kino i runga i te whenua.
Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.
A ka whakapumautia he torona i runga i te tohu tangata: ka nohoia e tetahi i runga i te pono, i roto ano i te teneti o Rawiri; me te whakawa, me te rapu i te tikanga o te whakawa, he hohoro hoki ki te mahi i te tika.
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
Kua rongo tatou ki te whakakake o Moapa; nui atu tona whakakake; ki tona whakapehapeha, ki tona whakakake, ki tona pukuriri; kahore he tikanga o ana whakamanamana.
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
Mo reira ka aue a Moapa ki a Moapa, ka aue katoa; ka tangi koutou ki nga keke karepe o Kiriharehete, kua moti rawa.
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
Kua kahakore hoki nga mara o Hehepona, me te waina o Hipima; he mea whatiwhati na nga rangatira o nga iwi ona waina pai rawa, i tae nei ki Iatere rawa, i toro haere atu ki te koraha: i toha haere ona peka, i whiti ki tera taha o te moana.
Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
Mo reira ka tangihia e ahau te waina o Hipima, kei te tangi mo Iatere te rite: ka whakamakuku ahau i a koe ki oku roimate, e Hehepona, e Ereare; kua tau hoki te hamama o te pakanga ki runga ki au hua raumati, ki runga ki tau tapahanga witi.
Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
Kua tangohia atu te hari, me te koa i te mara momona; kahore hoki he waiata i nga mara waina, kahore he iere harakoa; e kore nga kaitakahi e takahi waina i a ratou poka waina; kua whakamutua e ahau te hamama o te mahinga waina.
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
Na reira, ano he hapa oku whekau e tangi ana ki a Moapa, a roto i ahau ki Kiriharehe.
Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
Na, ka puta mai a Moapa, ka mauiui i runga i te wahi tiketike, a ka haere ki tona wahi tapu inoi ai, heoi e kore e taea e ia.
Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
Ko te kupu tenei i korerotia e Ihowa mo Moapa i mua.
Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.
Engari kua korero a Ihowa inaianei, kua mea, Kia toru nga tau, kia rite ki nga tau o te kaimahi, ka whakahaweatia te kororia o Moapa, me tona mano tini; a ko te toenga he iti rawa, he kahore noa iho.
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.