II Kings 15

No te rua tekau ma whitu o nga tau o Ieropoama kingi o Iharaira i kingi ai a Ataria tama a Amatia, kingi o Hura.
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
Tekau ma ono ona tau i a ia ka kingi nei, a e rima tekau ma rua nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Iekoria, no Hiruharama.
Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
A i tika tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki nga mea katoa i mea ai a Amatia, tona papa.
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
Otiia kihai i whakakahoretia nga wahi tiketike: i patu whakahere tonu ano te iwi, i tahu whakakakara ki nga wahi tiketike.
kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
Na pakia ana te kingi e Ihowa, a he repera ia a mate noa, a noho ana ia i te whare wehe ke. Na ko Iotama, ko te tama a te kingi, te rangatira o te whare, hei kaiwhakarite mo te iwi o te whenua.
Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
Na, ko era atu meatanga a Ataria me ana mahi katoa, kihai ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
Na ka moe a Ataria ki ona matua, a tanumia iho ki ona matua ki te pa o Rawiri; a ko Iotama, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
No te toru tekau ma waru o nga tau o Ataria kingi o Hura i kingi ai a Hakaraia tama a Ieropoama ki a Iharaira, ki Hamaria, e ono nga marama.
Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki ta ona matua i mea ai: kihai i mahue i a ia nga hara o Ieropoama tama a Nepata i hara ai a Iharaira.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
Na ka whakatupu a Harumu tama a Iapehe i te he mona, a patua ana e ia i te aroaro o te iwi, whakamatea iho, a ko ia te kingi i muri i a ia.
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
Na, ko era atu meatanga a Hakaraia, nana, kua oti te tuhituhi ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
Ko te kupu hoki tena a Ihowa i korero ai ia ki a Iehu, i mea ai, E wha nga whakatupuranga o au tama e noho ki te torona o Iharaira. Na koia rawa ano ia.
Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
No te toru tekau ma iwa o nga tau o Utia kingi o Hura i kingi ai a Harumu tama a Iapehe, a kotahi tino marama i kingi ai ia ki Hamaria.
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
Na haere ake ana a Menaheme tama a Kari i Tirita, tae tonu ki Hamaria, patua iho e ia, a Harumu tama a Iapehe ki Hamaria, whakamatea iho; a ko ia te kingi i muri i a ia.
Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
Na, ko era atu meatanga a Harumu me tana he i whakatupuria e ia, nana kua oti te tuhituhi ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
Na ka patua e Menaheme a Tipiha me nga mea katoa i roto, me ona rohe katoa, o Tirita mai ano; mo ratou kihai i uaki ki a ia; koia i patua ai. Ripiripia ake hoki e ia nga wahine hapu katoa o reira.
Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
No te toru tekau ma iwa o nga tau o Ataria kingi o Hura i kingi ai a Menaheme tama a Kari ki a Iharaira ki Hamaria, a kotahi tekau ona tau i kingi ai.
Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa. Kihai i mahue i a ia i ona ra katoa nga hara o Ieropoama tama a Nepata i mea nei i a Iharaira kia hara.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
Na ka whakaekea te whenua e Puru kingi o Ahiria; a ka hoatu e Menaheme etahi taranata hiriwa kotahi mano ki a Puru, kia ai ai tona ringa hei awhina mona, kia u ai te kingitanga ki tona ringa.
Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
Na tangohia ana e Menaheme te hiriwa i a Iharaira, i nga tangata taonga nui katoa, hei hoatu mana ki te kingi o Ahiria: e rima tekau hekere a tenei, a tenei. Na hoki ana te kingi o Ahiria, kihai hoki i noho ki taua whenua.
Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
Na, ko era atu meatanga a Menaheme me ana mahi katoa, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira?
Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
Na ka moe a Menaheme ki ona matua, a ko tana tama, ko Pekahia te kingi i muri i a ia.
Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
No te rima tekau o nga tau o Ataria kingi o Hura i kingi ai a Pekahia tama a Menaheme ki a Iharaira ki Hamaria, a e rua nga tau i kingi ai.
Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa: kihai hoki i mahue i a ia nga hara o Ieropoama tama a Nepata i hara ai a Iharaira.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
Na ka whakatupuria he he mona e tetahi o ana rangatira, e Peka tama a Remaria, patua iho ia ki Hamaria ki te tino wahi o te whare o te kingi, ratou ko Arakopa, ko Arie, me ona hoa, nga Kireari, e rima tekau tangata. Na whakamatea ana ia e ia, ko ia ano te kingi i muri i a ia.
Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
Na, ko era atu meatanga a Pekahia me ana mahi katoa, nana, kua oti te tuhituhi ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
No te rima tekau ma rua o nga tau o Ataria kingi o Hura i kingi ai a Peka tama a Remaria ki a Iharaira ki Hamaria, a e rua tekau nga tau i kingi ai.
Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa; kihai i mahue i a ia nga hara o Ieropoama tama a Nepata i hara ai a Iharaira.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
I nga ra o Peka kingi o Iharaira, ka haere mai a Tikirata Pirehere kingi o Ahiria, a riro ana i a ia a Iiono, a Apere Petemaaka, a Ianoa, a Kerehe, a Hatoro, a Kireara, a Kariri, te whenua katoa o Napatari, whakahekea atu ana ratou e ia ki Ahiri a.
Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
Na ka whakatupu a Hohea tama a Eraha i te he mo Peka tama a Remaria, patua iho e ia, whakamatea iho; a ko ia te kingi i muri i a ia, i te rua tekau o nga tau o Iotama tama a Utia.
Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
Na, ko era atu meatanga a Peka me ana mahi katoa, nana, kua oti te tuhituhi ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Iharaira.
Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
No te rua o nga tau o Peka tama a Remaria kingi o Iharaira i kingi ai a Iotama tama a Utia kingi o Hura.
Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda.
E rua tekau ma rima ona tau i a ia ka kingi nei, a kotahi tekau ma ono nga tau i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Ieruha, he tamahine na Haroko.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
A i tika tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ana mahi ki nga mea katoa a tona papa, a Utia.
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.
Ko nga wahi tiketike ia kihai i whakakahoretia: i patu whakahere tonu te iwi, i tahu whakakakara ki nga wahi tiketike. Nana i hanga te kuwaha o runga o te whare o Ihowa.
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
Na, ko era atu meatanga a Iotama me ana mahi katoa, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
I aua ra ka timata a Ihowa te unga i a Retini kingi o Hiria raua ko Peka tama a Remaria ki a Hura.
Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.
Na ka moe a Iotama ki ona matua, a tanumia iho ki ona matua ki te pa o tona tupuna, o Rawiri; a ko Ahata, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.