Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy. Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray. Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
for se, jeg løfter min hånd mot dem, og de skal bli et rov for dem som nu træler for dem; og I skal kjenne at Herren, hærskarenes Gud, har sendt mig. Fryd dig storlig og gled dig, du Sions datter! For se, jeg kommer og vil bo hos dig, sier Herren. Og mange hedningefolk skal gi sig til Herren på den dag og bli mitt folk; og jeg vil bo hos dig, og du skal kjenne at Herren, hærskarenes Gud, har sendt mig til dig. Og Herren skal ta Juda til eie som sin del på den hellige jordbunn; og han skal ennu en gang utvelge Jerusalem. Vær stille, alt kjød, for Herrens åsyn! For han har reist sig og er gått ut av sin hellige bolig.