Genesis 17

Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
A, i te mea ka iwa tekau ma iwa nga tau o Aperama, ka puta mai a Ihowa ki a Aperama, ka mea ki a ia, Ko ahau te Atua Kaha Rawa; haereere i mua i toku aroaro, kia tapatahi hoki te whakaaro.
Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
A ka waiho e ahau taku kawenata ki waenganui i a taua, ka tino whakanui rawa ano ahau i a koe.
Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
Na ka kupapa te kanohi o Aperama: a ka korero te Atua ki a ia, ka mea,
Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
Na ko ahau, kei a koe taku kawenata, a ka matua koe mo nga iwi maha.
Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
E kore hoki tou ingoa e huaina a muri ake nei ko Aperama, engari ko Aperahama te ingoa mou; ka meinga hoki koe e ahau hei matua mo nga iwi maha.
Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
Ka meinga ano koe e ahau kia tino hua rawa, ka meinga koe e ahau hei take mo nga iwi, a ka puta mai nga kingi i roto i a koe.
Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
A ka whakapumautia e ahau taku kawenata ki waenganui oku, o koutou hoki ko ou uri i muri i a koe, o tera whakatupuranga, o tera whakatupuranga o ratou, hei kawenata mau tonu, a hei Atua ahau mou, mo ou uri hoki i muri i a koe.
Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
A ka hoatu e ahau ki a koe, ki ou uri hoki i muri i a koe, te whenua e noho manene na koe, te whenua katoa o Kanaana, hei kainga pumau; a hei Atua ahau mo ratou.
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
I mea ano te Atua ki a Aperahama, Ina, ko koe, me whakarite e koe taku kawenata, e koutou ko ou uri i muri i a koe, e tera whakatupuranga, e tera whakatupuranga o ratou.
Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
Ko taku kawenata tenei hei whakaritenga ma koutou i waenganui oku, o koutou ko ou uri i muri i a koe; Me kokoti a koutou tane katoa.
Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
Me kokoti e koutou to koutou kiri matamata: a ka waiho tena hei tohu mo te kawenata i waenganui oku, o koutou.
Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
Me kokoti e koutou nga tamariki ina waru nga ra, nga tane katoa o tena whakatupuranga, o tena whakatupuranga o koutou, nga mea i whanau i roto i te whare, i hokona ranei ki te moni i tetahi tangata ke, ehara nei i te uri nou.
Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
Me kokoti tonu te tangata i whanau i roto i tou whare, i hokona ranei ki tau moni, a ka mau taku kawenata ki o koutou kikokiko, hei kawenata mau tonu.
Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
A, ko te tane kihai i kotia, kihai nei i kotia tona kiri matamata, ka hatepea atu tena wairua i roto i tona iwi; kua whakataka e ia taku kawenata.
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
A ka mea te Atua ki a Aperahama, Ko Harai, ko tau wahine, kaua e huaina tona ingoa ko Harai, engari ko Hara he ingoa mona.
Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
A ko manaaki ahau i a ia, ka hoatu ano hoki i tetahi tama ki a koe i roto i a ia: ina, ka manaaki ahau i a ia, a hei whaea ia mo nga iwi; ka puta mai nga kingi mo nga iwi i roto i a ia.
Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
Na ka kupapa te kanohi o Aperahama ki raro, a ka kata ia, ka mea hoki i roto i tona ngakau, Tera ranei e whanau he tama ma te tangata kua kotahi rau nei ona tau? e whanau tamariki ranei a Hara, te wahine kua iwa tekau nei ona tau?
Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
Na ka mea ake a Aperahama ki te Atua, Kia ora noa oti a Ihimaera ki tou aroaro!
Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
Na ka mea te Atua, Ehara, ka whanau ta korua tama ko Hara; a me hua e koe tona ingoa ko Ihaka: ka whakapumau ano ahau i taku kawenata ki a ia, ki ona uri hoki i muri i a ia, hei kawenata mau tonu.
Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
Ko Ihimaera ia, na, kua whakarongo ahau ki a koe; nana, kua oti ia te manaaki e ahau, a ka meinga ia e ahau kia hua, kia tino nui rawa hoki; ka whanau ana tamariki kotahi tekau ma rua he ariki, a ka meinga ia e ahau hei iwi nui.
Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
Ka whakapumautia ia e ahau taku kawenata ki a Ihaka, ka whanau nei i a korua ko Hara a te taima e rite ana ki tenei o te tau e haere ake nei.
Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
A ka mutu tana korero ki a ia, a mawehe atu ana te Atua i a Aperahama ki runga.
Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
Katahi ka tongo a Aperahama i a Ihimaera i tana tama, ratou ko nga mea katoa i whanau i roto i tona whare, me nga mea katoa i hokona ki tana moni, nga tane katoa i roto i nga tangata o te whare o Aperahama; a kotia ana e ia to ratou kiri matamat a i taua ra pu ano, i pera me ta te Atua i korero ai ki a ia.
Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
Na e iwa tekau ma iwa nga tau o Aperahama i te kotinga o tona kiri matamata.
Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
Kotahi tekau ma toru hoki nga tau o tana tama o Ihimaera i te kotinga o tona kiri matamata.
Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;
No taua rangi pu ano i kotia ai a Aperahama, raua ko tana tama, ko Ihimaera.
ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
A i kotia ngatahitia me ia nga tangata katoa o tona whare, nga mea i whanau i roto i te whare, me nga mea i hokona ki te moni i te tangata iwi ke.