I Peter 4

Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota;
Na, kua mamae nei o te Karaiti kikokiko mo tatou, e mau koutou ki nga ea whawhai, ara ki taua whakaaro pu ra ano: ko te tangata hoki kua mamae te kikokiko kua mutu te hara;
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Mo te wa e toe nei o te noho ki te kikokiko kia kaua i runga i nga hiahia o te tangata, engari i ta te Atua i pai ai.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
Kati hoki ma tatou ko te wahi o to tatou ora kua pahemo nei, hei mahinga ma tatou i ta nga tauiwi i pai ai, i a tatou i haere i runga i te hiahia taikaha, i nga minamina, i te haurangi waina, i te kakai, i te inu, i te karakia whakarihariha ki ng a whakapakoko:
ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
he mea hou tenei ki a ratou, ara to koutou kahore e rere tahi, e torere ki taua kino: a korero kino iho mo koutou:
nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
Me korero ana ratou i a ratou mahi ki a ia, e noho rite nei ki te whakawa i te hunga ora, i te hunga mate.
Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
Mo konei ra i kauwhautia ai ano te rongopai ki te hunga kua mate, kia whakahengia ratou, ara te kikokiko i runga i ta te tangata, kia ora ia ratou, ara te wairua i runga i ta te Atua.
Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
Kua tata ia te whakamutunga o nga mea katoa: na, kia whai whakaaro koutou, kia mataara, kia inoi.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
I te tuatahi o nga mea katoa arohaina putia koutou e koutou ano: he tini hoki nga hara ka hipokina e te aroha.
Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
Whakamanuhiritia tetahi e tetahi; kaua e amuamu.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
Ko te mea kua riro noa i tetahi, i tetahi, meatia atu ano e koutou ma tetahi, ma tetahi, kia rite ki ta nga tuari pai o nga homaitanga maha a te Atua.
Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
Ki te korero tetahi, kia rite tana ki ta nga kupu a te Atua; ki te minita tetahi, kia rite tana ki to te kaha e homai ana e te Atua: kia whai kororia ai te Atua i nga mea katoa i roto i a Ihu Karaiti; kei a ia te kororia me te mana ake ake. Amin e.
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
E oku hoa aroha, kaua e kiia he hanga hou te tahunga i roto i a koutou hei whakamatautau i a koutou; ano he mea hou tenei kua pa ki a koutou:
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
Engari ka uru nei koutou ki nga mamae o te Karaiti, kia hari koutou; he mea hoki e hari ai koutou, whakamanamana rawa, a te whakakitenga mai o tona kororia.
Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
Ki te tawaia koutou mo te ingoa o te Karaiti, ka hari koutou; no te mea e tau ana te Wairua o te kororia, me te Wairua o te Atua ki runga ki a koutou.
Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
Kaua ia tetahi o koutou e whakamamaetia mo te mahi patu tangata, mo te tahae, mo te mahi i te kino, mo te pokanoa ki a era meatanga.
Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
Ki te whakamamaetia ia tetahi mo te ki he Karaitiana ia, kaua ia e whakama; engari he mea tenei e whakakororia ai ia i te Atua.
Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?
Ko te wa hoki tenei e timata ai te whakawa ki te whare o te Atua: ki te mea hoki kei a tatou te tuatahi, he pehea ra te whakamutunga ki te hunga e kore e tahuri ki te rongopai o te Atua?
Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).
A ki te mea ka ora noa te tangata tika, kei hea he putanga mo te tangata karakiakore, mo te tangata hara?
Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
Na, ko te hunga ano kua pai nei te Atua kia whakamamaetia ratou, me tuku e ratou o ratou wairua ki a ia, ara ki te Kaihanga pono, me te mahi ano ia i te pai.