Zechariah 2

Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
ואשא עיני וארא והנה איש ובידו חבל מדה׃
Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
ואמר אנה אתה הלך ויאמר אלי למד את ירושלם לראות כמה רחבה וכמה ארכה׃
Ary dia nanehoan'i Jehovah mpiasa efatra aho.
והנה המלאך הדבר בי יצא ומלאך אחר יצא לקראתו׃
Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.
ויאמר אלו רץ דבר אל הנער הלז לאמר פרזות תשב ירושלם מרב אדם ובהמה בתוכה׃
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
ואני אהיה לה נאם יהוה חומת אש סביב ולכבוד אהיה בתוכה׃
Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
הוי הוי ונסו מארץ צפון נאם יהוה כי כארבע רוחות השמים פרשתי אתכם נאם יהוה׃
Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
הוי ציון המלטי יושבת בת בבל׃
ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
כי כה אמר יהוה צבאות אחר כבוד שלחני אל הגוים השללים אתכם כי הנגע בכם נגע בבבת עינו׃
Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
כי הנני מניף את ידי עליהם והיו שלל לעבדיהם וידעתם כי יהוה צבאות שלחני׃
He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
רני ושמחי בת ציון כי הנני בא ושכנתי בתוכך נאם יהוה׃
He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
ונלוו גוים רבים אל יהוה ביום ההוא והיו לי לעם ושכנתי בתוכך וידעת כי יהוה צבאות שלחני אליך׃
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.
ונחל יהוה את יהודה חלקו על אדמת הקדש ובחר עוד בירושלם׃
Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy. Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah. Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray. Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
הס כל בשר מפני יהוה כי נעור ממעון קדשו׃