Song of Solomon 5

Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
באתי לגני אחתי כלה אריתי מורי עם בשמי אכלתי יערי עם דבשי שתיתי ייני עם חלבי אכלו רעים שתו ושכרו דודים׃
Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.
אני ישנה ולבי ער קול דודי דופק פתחי לי אחתי רעיתי יונתי תמתי שראשי נמלא טל קוצותי רסיסי לילה׃
Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
פשטתי את כתנתי איככה אלבשנה רחצתי את רגלי איככה אטנפם׃
Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
דודי שלח ידו מן החר ומעי המו עליו׃
Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano.
קמתי אני לפתח לדודי וידי נטפו מור ואצבעתי מור עבר על כפות המנעול׃
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
פתחתי אני לדודי ודודי חמק עבר נפשי יצאה בדברו בקשתיהו ולא מצאתיהו קראתיו ולא ענני׃
Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
מצאני השמרים הסבבים בעיר הכוני פצעוני נשאו את רדידי מעלי שמרי החמות׃
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
השבעתי אתכם בנות ירושלם אם תמצאו את דודי מה תגידו לו שחולת אהבה אני׃
Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
מה דודך מדוד היפה בנשים מה דודך מדוד שככה השבעתנו׃
Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina.
דודי צח ואדום דגול מרבבה׃
Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
ראשו כתם פז קוצותיו תלתלים שחרות כעורב׃
Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
עיניו כיונים על אפיקי מים רחצות בחלב ישבות על מלאת׃
Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.
לחיו כערוגת הבשם מגדלות מרקחים שפתותיו שושנים נטפות מור עבר׃
Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
ידיו גלילי זהב ממלאים בתרשיש מעיו עשת שן מעלפת ספירים׃
Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.
שוקיו עמודי שש מיסדים על אדני פז מראהו כלבנון בחור כארזים׃
Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema!
חכו ממתקים וכלו מחמדים זה דודי וזה רעי בנות ירושלם׃