Deuteronomy 33

Ary izao no tso-drano nataon'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
וזאת הברכה אשר ברך משה איש האלהים את בני ישראל לפני מותו׃
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo ho an'ireo.
ויאמר יהוה מסיני בא וזרח משעיר למו הופיע מהר פארן ואתה מרבבת קדש מימינו אש דת למו׃
Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny teninao.
אף חבב עמים כל קדשיו בידך והם תכו לרגלך ישא מדברתיך׃
Lalàna no nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.
תורה צוה לנו משה מורשה קהלת יעקב׃
Ary tonga mpanjakan'i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben'ny vahoaka Sy ny firenen'Isiraely rehetra.
ויהי בישרון מלך בהתאסף ראשי עם יחד שבטי ישראל׃
Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
יחי ראובן ואל ימת ויהי מתיו מספר׃
Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
וזאת ליהודה ויאמר שמע יהוה קול יהודה ואל עמו תביאנו ידיו רב לו ועזר מצריו תהיה׃
Ary ny amin'i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,
וללוי אמר תמיך ואוריך לאיש חסידך אשר נסיתו במסה תריבהו על מי מריבה׃
Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
האמר לאביו ולאמו לא ראיתיו ואת אחיו לא הכיר ואת בנו לא ידע כי שמרו אמרתך ובריתך ינצרו׃
Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.
יורו משפטיך ליעקב ותורתך לישראל ישימו קטורה באפך וכליל על מזבחך׃
Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.
ברך יהוה חילו ופעל ידיו תרצה מחץ מתנים קמיו ומשנאיו מן יקומון׃
Ary ny amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
לבנימן אמר ידיד יהוה ישכן לבטח עליו חפף עליו כל היום ובין כתיפיו שכן׃
Ary ny amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any ambany,
וליוסף אמר מברכת יהוה ארצו ממגד שמים מטל ומתהום רבצת תחת׃
Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,
וממגד תבואת שמש וממגד גרש ירחים׃
Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay
ומראש הררי קדם וממגד גבעות עולם׃
Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
וממגד ארץ ומלאה ורצון שכני סנה תבואתה לראש יוסף ולקדקד נזיר אחיו׃
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.
בכור שורו הדר לו וקרני ראם קרניו בהם עמים ינגח יחדו אפסי ארץ והם רבבות אפרים והם אלפי מנשה׃
Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.
ולזבולן אמר שמח זבולן בצאתך ויששכר באהליך׃
Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.
עמים הר יקראו שם יזבחו זבחי צדק כי שפע ימים יינקו ושפוני טמוני חול׃
Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.
ולגד אמר ברוך מרחיב גד כלביא שכן וטרף זרוע אף קדקד׃
Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
וירא ראשית לו כי שם חלקת מחקק ספון ויתא ראשי עם צדקת יהוה עשה ומשפטיו עם ישראל׃
Ary ny amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
ולדן אמר דן גור אריה יזנק מן הבשן׃
Ary ny amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.
ולנפתלי אמר נפתלי שבע רצון ומלא ברכת יהוה ים ודרום ירשה׃
Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.
ולאשר אמר ברוך מבנים אשר יהי רצוי אחיו וטבל בשמן רגלו׃
Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.
ברזל ונחשת מנעליך וכימיך דבאך׃
Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.
אין כאל ישרון רכב שמים בעזרך ובגאותו שחקים׃
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
מענה אלהי קדם ומתחת זרעת עולם ויגרש מפניך אויב ויאמר השמד׃
Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.
וישכן ישראל בטח בדד עין יעקב אל ארץ דגן ותירוש אף שמיו יערפו טל׃
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
אשריך ישראל מי כמוך עם נושע ביהוה מגן עזרך ואשר חרב גאותך ויכחשו איביך לך ואתה על במותימו תדרך׃