Isaiah 19

Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.
Oracle sur l'Egypte. Voici, l'Eternel est monté sur une nuée rapide, il vient en Egypte; Et les idoles de l'Egypte tremblent devant lui, Et le coeur des Egyptiens tombe en défaillance.
Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
J'armerai l'Egyptien contre l'Egyptien, Et l'on se battra frère contre frère, ami contre ami, Ville contre ville, royaume contre royaume.
Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
L'esprit de l'Egypte disparaîtra du milieu d'elle, Et j'anéantirai son conseil; On consultera les idoles et les enchanteurs, Ceux qui évoquent les morts et ceux qui prédisent l'avenir.
Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Et je livrerai l'Egypte entre les mains d'un maître sévère; Un roi cruel dominera sur eux, Dit le Seigneur, l'Eternel des armées.
Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
Les eaux de la mer tariront, Le fleuve deviendra sec et aride;
Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;
Les rivières seront infectes, Les canaux de l'Egypte seront bas et desséchés, Les joncs et les roseaux se flétriront.
Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
Ce ne sera que nudité le long du fleuve, à l'embouchure du fleuve; Tout ce qui aura été semé près du fleuve se desséchera, Se réduira en poussière et périra.
Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.
Les pêcheurs gémiront, Tous ceux qui jettent l'hameçon dans le fleuve se lamenteront, Et ceux qui étendent des filets sur les eaux seront désolés.
Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
Ceux qui travaillent le lin peigné Et qui tissent des étoffes blanches seront confus.
Ny andrin'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.
Les soutiens du pays seront dans l'abattement, Tous les mercenaires auront l'âme attristée.
Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
Les princes de Tsoan ne sont que des insensés, Les sages conseillers de Pharaon forment un conseil stupide. Comment osez-vous dire à Pharaon: Je suis fils des sages, fils des anciens rois?
Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
Où sont-ils donc tes sages? Qu'ils te fassent des révélations, Et qu'on apprenne ce que l'Eternel des armées a résolu contre l'Egypte.
Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny.
Les princes de Tsoan sont fous, Les princes de Noph sont dans l'illusion, Les chefs des tribus égarent l'Egypte;
Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
L'Eternel a répandu au milieu d'elle un esprit de vertige, Pour qu'ils fassent chanceler les Egyptiens dans tous leurs actes, Comme un homme ivre chancelle en vomissant.
Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.
Et l'Egypte sera hors d'état de faire Ce que font la tête et la queue, La branche de palmier et le roseau.
Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
En ce jour, l'Egypte sera comme des femmes: Elle tremblera et aura peur, En voyant s'agiter la main de l'Eternel des armées, Quand il la lèvera contre elle.
Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
Et le pays de Juda sera pour l'Egypte un objet d'effroi: Dès qu'on lui en parlera, elle sera dans l'épouvante, A cause de la résolution prise contre elle par l'Eternel des armées.
Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.
En ce temps-là, il y aura cinq villes au pays d'Egypte, Qui parleront la langue de Canaan, Et qui jureront par l'Eternel des armées: L'une d'elles sera appelée ville de la destruction.
Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
En ce même temps, il y aura un autel à l'Eternel Au milieu du pays d'Egypte, Et sur la frontière un monument à l'Eternel.
Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
Ce sera pour l'Eternel des armées un signe et un témoignage Dans le pays d'Egypte; Ils crieront à l'Eternel à cause des oppresseurs, Et il leur enverra un sauveur et un défenseur pour les délivrer.
Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
Et l'Eternel sera connu des Egyptiens, Et les Egyptiens connaîtront l'Eternel en ce jour-là; Ils feront des sacrifices et des offrandes, Ils feront des voeux à l'Eternel et les accompliront.
Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
Ainsi l'Eternel frappera les Egyptiens, Il les frappera, mais il les guérira; Et ils se convertiront à l'Eternel, Qui les exaucera et les guérira.
Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.
En ce même temps, il y aura une route d'Egypte en Assyrie: Les Assyriens iront en Egypte, et les Egyptiens en Assyrie, Et les Egyptiens avec les Assyriens serviront l'Eternel.
Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;
En ce même temps, Israël sera, lui troisième, Uni à l'Egypte et à l'Assyrie, Et ces pays seront l'objet d'une bénédiction.
Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
L'Eternel des armées les bénira, en disant: Bénis soient l'Egypte, mon peuple, Et l'Assyrie, oeuvre de mes mains, Et Israël, mon héritage!