James 4

Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?
你们中间的争战斗殴是从那里来的呢?不是从你们百体中战斗之私欲来的吗?
Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
你们贪恋,还是得不著;你们杀害嫉妒,又斗殴争战,也不能得。你们得不著,是因为你们不求。
Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
你们求也得不著,是因为你们妄求,要浪费在你们的宴乐中。
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
你们这些淫乱的人(原文是淫妇)哪,岂不知与世俗为友就是与 神为敌吗?所以凡想要与世俗为友的,就是与 神为敌了。
Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro.
你们想经上所说是徒然的吗? 神所赐、住在我们里面的灵,是恋爱至于嫉妒吗?
Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
但他赐更多的恩典,所以经上说: 神阻挡骄傲的人,赐恩给谦卑的人。
Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
故此,你们要顺服 神。务要抵挡魔鬼,魔鬼就必离开你们逃跑了。
Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
你们亲近 神, 神就必亲近你们。有罪的人哪,要洁净你们的手!心怀二意的人哪,要清洁你们的心!
Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
你们要愁苦、悲哀、哭泣,将喜笑变作悲哀,欢乐变作愁闷。
Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
务要在主面前自卑,主就必叫你们升高。
Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
弟兄们,你们不可彼此批评。人若批评弟兄,论断弟兄,就是批评律法,论断律法。你若论断律法,就不是遵行律法,乃是判断人的。
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
设立律法和判断人的,只有一位,就是那能救人也能灭人的。你是谁,竟敢论断别人呢?
He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
嗐!你们有话说:「今天明天我们要往某城里去,在那里住一年,做买卖得利。」
kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
其实明天如何,你们还不知道。你们的生命是什么呢?你们原来是一片云雾,出现少时就不见了。
Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
你们只当说:「主若愿意,我们就可以活著,也可以做这事,或做那事。」
Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
现今你们竟以张狂夸口;凡这样夸口都是恶的。
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
人若知道行善,却不去行,这就是他的罪了。