Genesis 33

Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
雅各举目观看,见以扫来了,后头跟著四百人,他就把孩子们分开交给利亚、拉结,和两个使女,
Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
并且叫两个使女和她们的孩子在前头,利亚和她的孩子在后头,拉结和约瑟在尽后头。
Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.
他自己在他们前头过去,一连七次俯伏在地才就近他哥哥。
Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
以扫跑来迎接他,将他抱住,又搂著他的颈项,与他亲嘴,两个人就哭了。
Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
以扫举目看见妇人孩子,就说:「这些和你同行的是谁呢?」雅各说:「这些孩子是 神施恩给你的仆人的。」
Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
于是两个使女和她们的孩子前来下拜;
Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
利亚和她的孩子也前来下拜;随后约瑟和拉结也前来下拜。
Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.
以扫说:「我所遇见的这些群畜是什么意思呢?」雅各说:「是要在我主面前蒙恩的。」
Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
以扫说:「兄弟啊,我的已经够了,你的仍归你吧!」
Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
雅各说:「不然,我若在你眼前蒙恩,就求你从我手里收下这礼物;因为我见了你的面,如同见了 神的面,并且你容纳了我。
Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
求你收下我带来给你的礼物;因为 神恩待我,使我充足。」雅各再三地求他,他才收下了。
Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
以扫说:「我们可以起身前往,我在你前头走。」
Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
雅各对他说:「我主知道孩子们年幼娇嫩,牛羊也正在乳养的时候,若是催赶一天,群畜都必死了。
Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
求我主在仆人前头走,我要量著在我面前群畜和孩子的力量慢慢地前行,直走到西珥我主那里。」
Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.
以扫说:「容我把跟随我的人留几个在你这里。」雅各说:「何必呢?只要在我主眼前蒙恩就是了。」
Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira.
于是,以扫当日起行,回往西珥去了。
Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.
雅各就往疏割去,在那里为自己盖造房屋,又为牲畜搭棚;因此那地方名叫疏割【就是棚的意思】。
Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
雅各从巴旦‧亚兰回来的时候,平平安安地到了迦南地的示剑城,在城东支搭帐棚,
Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
就用一百块银子向示剑的父亲、哈抹的子孙买了支帐棚的那块地,
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
在那里筑了一座坛,起名叫伊利‧伊罗伊‧以色列【就是 神、以色列 神的意思】。