Revelation of John 20

וארא מלאך יורד מן השמים ובידו מפתח התהום וכבל גדול׃
Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
ויתפש את התנין את הנחש הקדמוני הוא המלשין והוא השטן ויאסרהו לאלף שנים׃
dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
וישליכהו בתהום ויסגר בעדו ויחתם עליו למען לא ידיח עוד את הגוים עד כלות אלף השנים ואחרי כן יתר לזמן מצער׃
dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
וארא כסאות וישבו עליהם והמשפט נתן בידם ונפשות ההרוגים על עדות ישוע ועל דבר האלהים ואשר לא השתחוו לחיה ולצלמה ולא קבלו את תוה על מצחותם ועל ידם ויקומו ויחיו וימלכו עם המשיח אלף שנים׃
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
ושאר המתים לא קמו לחיים עד כלות אלף השנים זאת היא התחיה הראשונה׃
Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
אשרי האיש וקדוש הוא אשר חלקו לקום בתחיה הראשונה באלה לא ישלט המות השני כי אם יהיו כהנים לאלהים ולמשיחו וימלכו אתו אלף שנים׃
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
ואחרי כלות אלף השנים יתר השטן מבית משמרו׃
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany
ויצא להדיח את הגוים בארבע כנפות הארץ את גוג ומגוג ולקבצם למלחמה אשר מספרם כחול הים׃
ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
ויעלו על מרחבי ארץ ויסבו את מחנה הקדשים ואת העיר החביבה ותרד אש מאת האלהים מן השמים ותאכל אתם׃
Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
והשטן אשר הדיחם השלך באגם אש וגפרית אשר שם גם החיה ונביא השקר ויסרו יומם ולילה לעולמי עולמים׃
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
וארא כסא לבן וגדול ואת הישב עליו אשר מפניו נסו ארץ ושמים ולא נמצא להם מקום׃
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
וארא את המתים הקטנים עם הגדלים עמדים לפני הכסא וספרים נפתחים ויפתח ספר אחר אשר הוא ספר החיים וישפטו המתים על פי הכתוב בספרים כמעשיהם׃
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
ויתן הים את מתיו והמות והשאול נתנו את מתיהם וישפטו איש איש כמעשיהם׃
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
והמות והשאול השלכו באגם האש והוא המות השני׃
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
וכל איש אשר לא נמצא כתוב בספר החיים השלך באגם האש׃
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.