Psalms 28

לדוד אליך יהוה אקרא צורי אל תחרש ממני פן תחשה ממני ונמשלתי עם יורדי בור׃
Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
שמע קול תחנוני בשועי אליך בנשאי ידי אל דביר קדשך׃
Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.
אל תמשכני עם רשעים ועם פעלי און דברי שלום עם רעיהם ורעה בלבבם׃
Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
תן להם כפעלם וכרע מעלליהם כמעשה ידיהם תן להם השב גמולם להם׃
Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
כי לא יבינו אל פעלת יהוה ואל מעשה ידיו יהרסם ולא יבנם׃
Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
ברוך יהוה כי שמע קול תחנוני׃
Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
יהוה עזי ומגני בו בטח לבי ונעזרתי ויעלז לבי ומשירי אהודנו׃
Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.
יהוה עז למו ומעוז ישועות משיחו הוא׃
Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
הושיעה את עמך וברך את נחלתך ורעם ונשאם עד העולם׃
Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.