Hosea 2

אמרו לאחיכם עמי ולאחותיכם רחמה׃
Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
ריבו באמכם ריבו כי היא לא אשתי ואנכי לא אישה ותסר זנוניה מפניה ונאפופיה מבין שדיה׃
Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
פן אפשיטנה ערמה והצגתיה כיום הולדה ושמתיה כמדבר ושתה כארץ ציה והמתיה בצמא׃
Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama.
ואת בניה לא ארחם כי בני זנונים המה׃
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
כי זנתה אמם הבישה הורתם כי אמרה אלכה אחרי מאהבי נתני לחמי ומימי צמרי ופשתי שמני ושקויי׃
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
לכן הנני שך את דרכך בסירים וגדרתי את גדרה ונתיבותיה לא תמצא׃
Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
ורדפה את מאהביה ולא תשיג אתם ובקשתם ולא תמצא ואמרה אלכה ואשובה אל אישי הראשון כי טוב לי אז מעתה׃
Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
והיא לא ידעה כי אנכי נתתי לה הדגן והתירוש והיצהר וכסף הרביתי לה וזהב עשו לבעל׃
Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
לכן אשוב ולקחתי דגני בעתו ותירושי במועדו והצלתי צמרי ופשתי לכסות את ערותה׃
Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.
ועתה אגלה את נבלתה לעיני מאהביה ואיש לא יצילנה מידי׃
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an'i Bala,
והשבתי כל משושה חגה חדשה ושבתה וכל מועדה׃
Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
והשמתי גפנה ותאנתה אשר אמרה אתנה המה לי אשר נתנו לי מאהבי ושמתים ליער ואכלתם חית השדה׃
Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.
ופקדתי עליה את ימי הבעלים אשר תקטיר להם ותעד נזמה וחליתה ותלך אחרי מאהביה ואתי שכחה נאם יהוה׃
Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
לכן הנה אנכי מפתיה והלכתיה המדבר ודברתי על לבה׃
Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
ונתתי לה את כרמיה משם ואת עמק עכור לפתח תקוה וענתה שמה כימי נעוריה וכיום עלתה מארץ מצרים׃
Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
והיה ביום ההוא נאם יהוה תקראי אישי ולא תקראי לי עוד בעלי׃
Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
והסרתי את שמות הבעלים מפיה ולא יזכרו עוד בשמם׃
Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.
וכרתי להם ברית ביום ההוא עם חית השדה ועם עוף השמים ורמש האדמה וקשת וחרב ומלחמה אשבור מן הארץ והשכבתים לבטח׃
Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
וארשתיך לי לעולם וארשתיך לי בצדק ובמשפט ובחסד וברחמים׃
Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.
וארשתיך לי באמונה וידעת את יהוה׃
Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
והיה ביום ההוא אענה נאם יהוה אענה את השמים והם יענו את הארץ׃
Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
והארץ תענה את הדגן ואת התירוש ואת היצהר והם יענו את יזרעאל׃
Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.
וזרעתיה לי בארץ ורחמתי את לא רחמה ואמרתי ללא עמי עמי אתה והוא יאמר אלהי׃
Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.