Hosea 14

שובה ישראל עד יהוה אלהיך כי כשלת בעונך׃
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
קחו עמכם דברים ושובו אל יהוה אמרו אליו כל תשא עון וקח טוב ונשלמה פרים שפתינו׃
Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
אשור לא יושיענו על סוס לא נרכב ולא נאמר עוד אלהינו למעשה ידינו אשר בך ירחם יתום׃
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
ארפא משובתם אהבם נדבה כי שב אפי ממנו׃
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
אהיה כטל לישראל יפרח כשושנה ויך שרשיו כלבנון׃
Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
ילכו ינקותיו ויהי כזית הודו וריח לו כלבנון׃
Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
ישבו ישבי בצלו יחיו דגן ויפרחו כגפן זכרו כיין לבנון׃
Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
אפרים מה לי עוד לעצבים אני עניתי ואשורנו אני כברוש רענן ממני פריך נמצא׃
Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.
מי חכם ויבן אלה נבון וידעם כי ישרים דרכי יהוה וצדקים ילכו בם ופשעים יכשלו בם׃
Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao. Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.