Psalms 99

HERREN har vist, han er Konge, Folkene bæver, han troner på Keruber, Jorden skælver!
Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
Stor er HERREN på Zion, ophøjet over alle Folkeslag;
Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
de priser dit Navn, det store og frygtelige; hellig er han!
Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.
Du er en Konge, der elsker Retfærd, Retten har du grundfæstet, i Jakob, øved du Ret og Retfærd.
Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.
Ophøj HERREN vor Gud, bøj eder for hans Fødders Skammel; hellig er han!
Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy.
Moses og Aron er blandt hans Præster og Samuel blandt dem, der påkalder hans Navn; de råber til HERREN, han svarer;
Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
i Skystøtten taler han til dem, de holder hans Vidnesbyrd, Loven, han gav dem;
Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
HERRE vor Gud, du svarer dem. Du var dem en Gud, som tilgav og frikendte dem, for hvad de gjorde.
Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
Ophøj HERREN vor Gud, bøj eder for hans hellige Bjerg, thi hellig er HERREN vor Gud!
Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.