Judges 12

以法莲人聚集,到了北方,对耶弗他说:「你去与亚扪人争战,为什么没有招我们同去呢?我们必用火烧你和你的房屋。」
Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao.
耶弗他对他们说:「我和我的民与亚扪人大大争战;我招你们来,你们竟没有来救我脱离他们的手。
Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
我见你们不来救我,我就拚命前去攻击亚扪人,耶和华将他们交在我手中。你们今日为什么上我这里来攻打我呢?」
Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
于是耶弗他招聚基列人,与以法莲人争战。基列人击杀以法莲,是因他们说:「你们基列人在以法莲、玛拿西中间,不过是以法莲逃亡的人。」
Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.
基列人把守约旦河的渡口,不容以法莲人过去。以法莲逃走的人若说:「容我过去。」基列人就问他说:「你是以法莲人不是?」他若说:「不是」,
Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
就对他说:「你说『示播列』。」;以法莲人因为咬不真字音,便说「西播列」。基列人就将他拿住,杀在约旦河的渡口。那时以法莲人被杀的有四万二千人。
dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.
耶弗他作以色列的士师六年。基列人耶弗他死了,葬在基列的一座城里。
Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.
耶弗他以后,有伯利恒人以比讚作以色列士师。
Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.
他有三十个儿子,三十女儿;女儿都嫁出去了。他给众子从外乡娶了三十媳妇。他作以色列的士师七年。
Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
以比讚死了,葬在伯利恒。
Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
以比讚之后,,有西布伦人以伦,作以色列的士师十年。
Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
西布伦人以伦死了,葬在西布伦地的亚雅崙。
Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.
以伦之后,有比拉顿人希列的儿子押顿作以色列的士师。
Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
他有四十个儿子,三十个孙子,骑著七十匹驴驹。押顿作以色列的士师八年。
Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
比拉顿人希列的儿子押顿死了,葬在以法莲地的比拉顿,在亚玛力人的山地。
Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.