Judges 13

以色列人又行耶和华眼中看为恶的事,耶和华将他们交在非利士人手中四十年。
Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.
那时,有一个琐拉人,是属但族的,名叫玛挪亚。他的妻不怀孕,不生育。
Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
耶和华的使者向那妇人显现,对她说:「向来你不怀孕,不生育,如今你必怀孕生一个儿子。
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
所以你当谨慎,清酒浓酒都不可喝,一切不洁之物也不可吃。
Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
你必怀孕生一个儿子,不可用剃头刀剃他的头,因为这孩子一出胎就归 神作拿细耳人。他必起首拯救以色列人脱离非利士人的手。」
Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
妇人就回去对丈夫说:「有一个神人到我面前来,他的相貌如 神使者的相貌,甚是可畏。我没有问他从哪里来,他也没有将他的名告诉我,
Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
却对我说:『你要怀孕生一个儿子,所以清酒浓酒都不可喝,一切不洁之物也不可吃;因为这孩子从出胎一直到死,必归 神作拿细耳人。』」
Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
玛挪亚就祈求耶和华说:「主啊,求你再差遣那神人到我们这里来,好指教我们怎样待这将要生的孩子。」
Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
 神应允玛挪亚的话;妇人正坐在田间的时候, 神的使者又到她那里,她丈夫玛挪亚却没有同她在一处。
Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
妇人急忙跑去告诉丈夫说:「那日到我面前来的人,又向我显现。」
Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.
玛挪亚起来跟随他的妻来到那人面前,对他说:「与这妇人说话的就是你吗?」他说:「是我。」
Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
玛挪亚说:「愿你的话应验!我们当怎样待这孩子,他后来当怎样呢?」
Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
耶和华的使者对玛挪亚说:「我告诉妇人的一切事,她都当谨慎。
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
葡萄树所结的都不可吃,清酒浓酒都不可喝,一切不洁之物也不可吃。凡我所吩咐的,她都当遵守。」
Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
玛挪亚对耶和华的使者说:「求你容我们款留你,好为你预备一只山羊羔。」
Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.
耶和华的使者对玛挪亚说:「你虽然款留我,我却不吃你的食物,你若预备燔祭就当献与耶和华。」原来玛挪亚不知道他是耶和华的使者。
Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
玛挪亚对耶和华的使者说:「请将你的名告诉我,到你话应验的时候,我们好尊敬你。」
Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
耶和华的使者对他说:「你何必问我的名,我名是奇妙的。」
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
玛挪亚将一只山羊羔和素祭在磐石上献与耶和华,使者行奇妙的事;玛挪亚和他的妻观看,
Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
见火焰从坛上往上升,耶和华的使者在坛上的火焰中也升上去了。玛挪亚和他的妻看见,就俯伏于地。
Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.
耶和华的使者不再向玛挪亚和他的妻显现,玛挪亚才知道他是耶和华的使者。
Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.
玛挪亚对他的妻说:「我们必要死,因为看见了 神。」
Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.
他的妻却对他说:「耶和华若要杀我们,必不从我们手里收纳燔祭和素祭,并不将这一切事指示我们,今日也不将这些话告诉我们。」
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
后来妇人生了一个儿子,给他起名叫参孙。孩子长大,耶和华赐福与他。
Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
在玛哈尼‧但,就是琐拉和以实陶中间,耶和华的灵才感动他。
Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.