Joshua 7

以色列人在当灭的物上犯了罪;因为犹大支派中,谢拉的曾孙,撒底的孙子,迦米的儿子亚干取了当灭的物;耶和华的怒气就向以色列人发作。
Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.
当下,约书亚从耶利哥打发人往伯特利东边、靠近伯‧亚文的艾城去,吩咐他们说:你们上去窥探那地。他们就上去窥探艾城。
Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.
他们回到约书亚那里,对他说:「众民不必都上去,只要二三千人上去就能攻取艾城;不必劳累众民都去,因为那里的人少。」
Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
于是民中约有三千人上那里去,竟在艾城人面前逃跑了。
Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.
艾城的人击杀了他们三十六人,从城门前追赶他们,直到示巴琳,在下坡杀败他们;众民的心就消化如水。
Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
约书亚便撕裂衣服;他和以色列的长老把灰撒在头上,在耶和华的约柜前俯伏在地,直到晚上。
Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
约书亚说:「哀哉!主耶和华啊,你为什么竟领这百姓过约旦河,将我们交在亚摩利人的手中,使我们灭亡呢?我们不如住在约旦河那边倒好。
Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!
主啊,以色列人既在仇敌面前转背逃跑,我还有什么可说的呢?
Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?
迦南人和这地一切的居民听见了就必围困我们,将我们的名从地上除灭。那时你为你的大名要怎样行呢?」
Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
耶和华吩咐约书亚说:「起来!你为何这样俯伏在地呢?
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
以色列人犯了罪,违背了我所吩咐他们的约,取了当灭的物;又偷窃,又行诡诈,又把那当灭的放在他们的家具里。
Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.
因此,以色列人在仇敌面前站立不住。他们在仇敌面前转背逃跑,是因成了被咒诅的;你们若不把当灭的物从你们中间除掉,我就不再与你们同在了。
Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
你起来,叫百姓自洁,对他们说:『你们要自洁,预备明天,因为耶和华─以色列的 神这样说:以色列啊,你们中间有当灭的物,你们若不除掉,在仇敌面前必站立不住!』
Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
到了早晨,你们要按著支派近前来;耶和华所取的支派,要按著宗族近前来;耶和华所取的宗族,要按著家室近前来;耶和华所取的家室,要按著人丁,一个一个的近前来。
Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-batan'olona.
被取的人有当灭的物在他那里,他和他所有的必被火焚烧;因他违背了耶和华的约,又因他在以色列中行了愚妄的事。」
Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely.
于是,约书亚清早起来,使以色列人按著支派近前来,取出来的是犹大支派;
Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i Joda no notanana.
使犹大支派(原文是宗族)近前来,就取了谢拉的宗族;使谢拉的宗族,按著家室人丁,一个一个的近前来,取出来的是撒底;
Dia nitondra ireo fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;
使撒底的家室,按著人丁,一个一个的近前来,就取出犹大支派的人谢拉的曾孙,撒底的孙子,迦米的儿子亚干。
dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.
约书亚对亚干说:「我儿,我劝你将荣耀归给耶和华─以色列的 神,在他面前认罪,将你所做的事告诉我,不要向我隐瞒。」
Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
亚干回答约书亚说:「我实在得罪了耶和华─以色列的 神。我所做的事如此如此:
Ary Akana namaly an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:
我在所夺的财物中看见一件美好的示拿衣服,二百舍客勒银子,一条金子重五十舍客勒,我就贪爱这些物件,便拿去了。现今藏在我帐棚内的地里,银子在衣服底下。」
Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
约书亚就打发人跑到亚干的帐棚里。那件衣服果然藏在他帐棚内,银子在底下。
Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
他们就从帐棚里取出来,拿到约书亚和以色列众人那里,放在耶和华面前。
Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah
约书亚和以色列众人把谢拉的曾孙亚干和那银子、那件衣服、那条金子,并亚干的儿女、牛、驴、羊、帐棚,以及他所有的,都带到亚割谷去。
Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
约书亚说:「你为什么连累我们呢?今日耶和华必叫你受连累。」于是以色列众人用石头打死他,将石头扔在其上,又用火焚烧他所有的(他所有的原文作他们)。
Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
众人在亚干身上堆成一大堆石头,直存到今日。于是耶和华转意,不发他的烈怒。因此那地方名叫亚割谷(亚割就是连累的意思),直到今日。
Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.