Joshua 6

耶利哥的城门因以色列人就关得严紧,无人出入。
Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
耶和华晓谕约书亚说:「看哪,我已经把耶利哥和耶利哥的王,并大能的勇士,都交在你手中。
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.
你们的一切兵丁要围绕这城,一日围绕一次,六日都要这样行。
Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
七个祭司要拿七个羊角走在约柜前。到第七日,你们要绕城七次,祭司也要吹角。
Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
他们吹的角声拖长,你们听见角声,众百姓要大声呼喊,城墙就必塌陷,各人都要往前直上。」
Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
嫩的儿子约书亚召了祭司来,吩咐他们说:「你们抬起约柜来,要有七个祭司拿七个羊角走在耶和华的约柜前」;
Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
又对百姓说:「你们前去绕城,带兵器的要走在耶和华的约柜前。」
Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
约书亚对百姓说完了话,七个祭司拿七个羊角走在耶和华面前吹角;耶和华的约柜在他们后面跟随。
Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.
带兵器的走在吹角的祭司前面,后队随著约柜行。祭司一面走一面吹。
Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
约书亚吩咐百姓说:「你们不可呼喊,不可出声,连一句话也不可出你们的口,等到我吩咐你们呼喊的日子,那时才可以呼喊。」
Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay ianareo no hanakora.
这样,他使耶和华的约柜绕城,把城绕了一次;众人回到营里,就在营里住宿。
Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
约书亚清早起来,祭司又抬起耶和华的约柜。
Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
七个祭司拿七个羊角在耶和华的约柜前,时常行走吹角;带兵器的在他们前面走,后队随著耶和华的约柜行。祭司一面走一面吹。
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
第二日,众人把城绕了一次,就回营里去。六日都是这样行。
Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
第七日清早,黎明的时候,他们起来,照样绕城七次;惟独这日把城绕了七次。
Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
到了第七次,祭司吹角的时候,约书亚吩咐百姓说:「呼喊吧,因为耶和华已经把城交给你们了!
Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna.
这城和其中所有的都要在耶和华面前毁灭;只有妓女喇合与她家中所有的可以存活,因为她隐藏了我们所打发的使者。
Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
至于你们,务要谨慎,不可取那当灭的物,恐怕你们取了那当灭的物就连累以色列的全营,使全营受咒诅。
Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
惟有金子、银子,和铜铁的器皿都要归耶和华为圣,必入耶和华的库中。」
Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
于是百姓呼喊,祭司也吹角。百姓听见角声,便大声呼喊,城墙就塌陷,百姓便上去进城,各人往前直上,将城夺取。
Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
又将城中所有的,不拘男女老少,牛羊和驴,都用刀杀尽。
Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky.
约书亚吩咐窥探地的两个人说:「你们进那妓女的家,照著你们向她所起的誓,将那女人和她所有的都从那里带出来。」
Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
当探子的两个少年人就进去,将喇合与她的父母、弟兄,和她所有的,并她一切的亲眷,都带出来,安置在以色列的营外。
Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.
众人就用火将城和其中所有的焚烧了;惟有金子、银子,和铜铁的器皿都放在耶和华殿的库中。
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
约书亚却把妓女喇合与她父家,并她所有的,都救活了;因为她隐藏了约书亚所打发窥探耶利哥的使者,她就住在以色列中,直到今日。
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.
当时,约书亚叫众人起誓说:「有兴起重修这耶利哥城的人,当在耶和华面前受咒诅。他立根基的时候,必丧长子,安门的时候,必丧幼子。」
Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.
耶和华与约书亚同在,约书亚的声名传扬遍地。
Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.