Jonah 4

这事约拿大大不悦,且甚发怒,
Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.
就祷告耶和华说:「耶和华啊,我在本国的时候,岂不是这样说吗?我知道你是有恩典、有怜悯的 神,不轻易发怒,有丰盛的慈爱,并且后悔不降所说的灾,所以我急速逃往他施去。
Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.
耶和华啊,现在求你取我的命吧!因为我死了比活著还好。」
Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
耶和华说:「你这样发怒合乎理吗?」
Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
于是约拿出城,坐在城的东边,在那里为自己搭了一座棚,坐在棚的荫下,要看看那城究竟如何。
Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.
耶和华 神安排一棵蓖麻,使其发生高过约拿,影儿遮盖他的头,救他脱离苦楚;约拿因这棵蓖麻大大喜乐。
Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.
次日黎明, 神却安排一条虫子咬这蓖麻,以致枯槁。
Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.
日头出来的时候, 神安排炎热的东风,日头曝晒约拿的头,使他发昏,他就为自己求死,说:「我死了比活著还好!」
Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
 神对约拿说:「你因这棵蓖麻发怒合乎理吗?」他说:「我发怒以至于死,都合乎理!」
Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
耶和华说:「这蓖麻,不是你栽种的,也不是你培养的;一夜发生,一夜干死,你尚且爱惜;
Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;
何况这尼尼微大城,其中不能分辨左手右手的有十二万多人,并有许多牲畜,我岂能不爱惜呢?」
ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?