Hosea 13

从前以法莲说话,人都战兢,他在以色列中居处高位;但他在事奉巴力的事上犯罪就死了。
Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin'ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty;
现今他们罪上加罪,用银子为自己铸造偶像,就是照自己的聪明制造,都是匠人的工作。有人论说,献祭的人可以向牛犊亲嘴。
Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
因此,他们必如早晨的云雾,又如速散的甘露,像场上的糠秕被狂风吹去,又像烟气腾于窗外。
Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin'ny rivotra hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin'ny varavarana makarakara.
自从你出埃及地以来,我就是耶和华─你的 神。在我以外,你不可认识别神;除我以外并没有救主。
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
我曾在旷野干旱之地认识你。
Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta.
这些民照我所赐的食物得了饱足;既得饱足,心就高傲,忘记了我。
Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
因此,我向他们如狮子,又如豹伏在道旁。
Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
我遇见他们必像丢崽子的母熊,撕裂他们的胸膛(或译:心膜)。在那里,我必像母狮吞吃他们;野兽必撕裂他们。
Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
以色列啊,你与我反对,就是反对帮助你的,自取败坏。
Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
你曾求我说:给我立王和首领。现在你的王在哪里呢?治理你的在哪里呢?让他在你所有的城中拯救你吧!
Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
我在怒气中将王赐你,又在烈怒中将王废去。
Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
以法莲的罪孽包裹;他的罪恶收藏。
Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany.
产妇的疼痛必临到他身上;他是无智慧之子,到了产期不当迟延。
Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.
我必救赎他们脱离阴间,救赎他们脱离死亡。死亡啊,你的灾害在哪里呢?阴间哪,你的毁灭在哪里呢?在我眼前绝无后悔之事。
Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.
他在弟兄中虽然茂盛,必有东风刮来,就是耶和华的风从旷野上来。他的泉源必干;他的源头必竭;仇敌必掳掠他所积蓄的一切宝器。
Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
撒马利亚必担当自己的罪,因为悖逆她的 神。她必倒在刀下;婴孩必被摔死;孕妇必被剖开。