Acts 17

保罗和西拉经过暗妃坡里、亚波罗尼亚,来到帖撒罗尼迦,在那里有犹太人的会堂。
Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
保罗照他素常的规矩进去,一连三个安息日,本著圣经与他们辩论,
Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
讲解陈明基督必须受害,从死里复活;又说:我所传与你们的这位耶稣就是基督。
Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
他们中间有些人听了劝,就附从保罗和西拉,并有许多虔敬的希腊人,尊贵的妇女也不少。
Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja.
但那不信的犹太人心里嫉妒,招聚了些市井匪类,搭伙成群,耸动合城的人闯进耶孙的家,要将保罗、西拉带到百姓那里。
Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
找不著他们,就把耶孙和几个弟兄拉到地方官那里,喊叫说:那搅乱天下的也到这里来了,
Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
耶孙收留他们。这些人都违背凯撒的命令,说另有一个王耶稣。
ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
众人和地方官听见这话,就惊慌了;
Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
于是取了耶孙和其余之人的保状,就释放了他们。
Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
弟兄们随即在夜间打发保罗和西拉往庇里亚去。二人到了,就进入犹太人的会堂。
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
这地方的人贤于帖撒罗尼迦的人,甘心领受这道,天天考查圣经,要晓得这道是与不是。
Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
所以他们中间多有相信的,又有希腊尊贵的妇女,男子也不少。
Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.
但帖撒罗尼迦的犹太人知道保罗又在庇里亚传 神的道,也就往那里去,耸动搅扰众人。
Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
当时弟兄们便打发保罗往海边去,西拉和提摩太仍住在庇里亚。
Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
送保罗的人带他到了雅典,既领了保罗的命,叫西拉和提摩太速速到他这里来,就回去了。
Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
保罗在雅典等候他们的时候,看见满城都是偶像,就心里著急;
Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
于是在会堂里与犹太人和虔敬的人,并每日在市上所遇见的人,辩论。
Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.
还有以彼古罗和斯多亚两门的学士,与他争论。有的说:这胡言乱语的要说什么?有的说:他似乎是传说外邦鬼神的。这话是因保罗传讲耶稣与复活的道。
Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny.
他们就把他带到亚略‧巴古,说:你所讲的这新道,我们也可以知道吗?
Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
因为你有些奇怪的事传到我们耳中,我们愿意知道这些事是什么意思。
Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
(雅典人和住在那里的客人都不顾别的事,只将新闻说说听听。)
(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
保罗站在亚略‧巴古当中,说:众位雅典人哪,我看你们凡事很敬畏鬼神。
Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
我游行的时候,观看你们所敬拜的,遇见一座坛,上面写著未识之神。你们所不认识而敬拜的,我现在告诉你们。
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
创造宇宙和其中万物的 神,既是天地的主,就不住人手所造的殿,
dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
也不用人手服事,好像缺少什么;自己倒将生命、气息、万物,赐给万人。
sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
他从一本(有古卷作血脉)造出万族的人,住在全地上,并且预先定准他们的年限和所住的疆界,
ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
要叫他们寻求 神,或者可以揣摩而得,其实他离我们各人不远;
mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
我们生活、动作、存留,都在乎他。就如你们作诗的,有人说:我们也是他所生的。
fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
我们既是 神所生的,就不当以为 神的神性像人用手艺、心思所雕刻的金、银、石。
Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
世人蒙昧无知的时候, 神并不监察,如今却吩咐各处的人都要悔改。
Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
因为他已经定了日子,要借著他所设立的人按公义审判天下,并且叫他从死里复活,给万人作可信的凭据。
satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
众人听见从死里复活的话,就有讥诮他的;又有人说:我们再听你讲这个吧!
Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
于是保罗从他们当中出去了。
Ary Paoly dia niala teo aminy.
但有几个人贴近他,信了主,其中有亚略‧巴古的官丢尼修,并一个妇人,名叫大马里,还有别人一同信从。
Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.