dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.