Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao.
Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah.
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.