Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.
Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.
Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;