Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.