Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.