Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.