Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Ary nony vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.