Revelation of John 9

Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
Og den femte engel blåste i basun, og jeg så en stjerne som var falt fra himmelen ned på jorden, og nøkkelen til avgrunnens brønn blev gitt den.
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
Og den åpnet avgrunnens brønn, og en røk steg op av brønnen som røken av en stor ovn, og solen og luften blev formørket av røken fra brønnen.
Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany.
Og ut av røken kom det gresshopper over jorden, og det blev gitt dem makt, slik som skorpionene på jorden har,
Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
og det blev sagt til dem at de ikke skulde skade gresset på jorden, heller ikke noget grønt, heller ikke noget tre, men bare de mennesker som ikke hadde Guds segl i sine panner.
Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
Og det blev gitt dem at de ikke skulde drepe dem, men pine dem i fem måneder, og pinen de voldte, var som pinen av en skorpion når den stikker et menneske.
Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
Og i de dager skal menneskene søke døden og ikke finne den, og stunde efter å få dø, og døden skal fly fra dem.
Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
Og gresshoppenes skikkelse var lik hester, rustet til krig, og på deres hoder var det likesom kroner som så ut som gull, og deres åsyn var som menneskers åsyn.
Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
Og de hadde hår som kvinnehår, og deres tenner var som løvetenner,
Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
og de hadde brynjer likesom jernbrynjer, og lyden av deres vinger var som lyden av vogner når mange hester løper til strid.
Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
Og de har stjerter som skorpioner, og brodder, og i deres stjerter ligger deres makt til å skade menneskene i fem måneder.
Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany.
Til konge over sig har de avgrunnens engel; på hebraisk er hans navn Abaddon, og på gresk har han navnet Apollyon.
Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
Det første ve er over; se, ennu kommer det to ve-rop efter dette.
Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
Og den sjette engel blåste, og jeg hørte en røst fra de fire horn på det gull-alter som stod for Gud,
nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
og den sa til den sjette engel, han som hadde basunen: Løs de fire engler som er bundet ved den store elv Eufrat!
Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
Og de blev løst, de fire engler som hadde stått ferdige på timen og dagen og måneden og året til å drepe tredjedelen av menneskene.
Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
Og tallet på hestfolkets hær var to ganger ti tusen ganger ti tusen; jeg hørte tallet på dem.
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
Og således så jeg hestene i mitt syn, og dem som satt på dem: de hadde ildrøde og mørkerøde og svovelgule brynjer, og hestenes hoder var som løvehoder, og av deres munn gikk det ut ild og røk og svovel.
Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.
Av disse tre plager blev tredjedelen av menneskene drept: av ilden og av røken og av svovelet som gikk ut av deres munn.
Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
For hestenes makt ligger i deres munn og i deres hale; for deres haler er som slanger og har hoder, og med dem gjør de skade.
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
Og de andre mennesker, de som ikke blev drept i disse plager, omvendte sig ikke fra sine henders verk, så de lot være å tilbede de onde ånder og avgudsbilledene av gull og av sølv og av kobber og av sten og av tre, de som hverken kan se eller høre eller gå;
ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
og de omvendte sig ikke fra sine mordgjerninger eller fra sine trolldomskunster eller fra sitt horelevnet eller fra sine tyverier.