Psalms 128

Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.
He waiata; he pikitanga. Ka hari nga tangata katoa e wehi ana i a Ihowa: e haere ana i ana ara.
Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
E kai hoki koe i te mahinga a ou ringa: e hari koe, a ka tau te pai ki a koe.
Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
E rite tau wahine ki te waina hua, i roto rawa i tou whare: au tamariki ki nga mahuri oriwa, i nga taha o tau tepu.
Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
Na he pera te manaaki mo te tangata e wehi ana i a Ihowa.
Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.
Ka Manaakitia koe e Ihowa i Hiona; a e kite koe i te pai o Hiruharama i nga ra katoa e ora ai koe.
Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
Ae, e kite koe i nga tamariki a au tamariki. Kia mau te rongo ki a Iharaira.