Exodus 14

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Na ka korero a Ihowa ki a Mohi, ka mea,
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
Korero ki nga tama a Iharaira, kia tahuri, kia noho ki te ritenga atu o Pihahirota, i waenganui o Mikitoro, o te moana, ki te ritenga o Paarahepona: hei te wahi e hangai tonu ana ki reira, hei te taha o te moana koutou noho ai.
Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
A e kiia nga tama a Iharaira e Parao, E pohehe ana ratou i te whenua, kua tutakina mai ratou e te koraha.
Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
A maku e whakapakeke te ngakau o Parao, kia wahi ai ia i a ratou: a ka whai kororia ahau i a Parao ratou ko tona nuinga katoa; a ka mohio nga Ihipiana ko Ihowa ahau; a pera ana ratou.
Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
A ka korerotia ki te kingi o Ihipa, kua whati te iwi: na ka puta ke te ngakau o Parao ratou ko ana tangata, ki te iwi, a ka mea ratou, He aha tenei mahi a tatou, i tukua atu ai a Iharaira i a tatou mahi?
Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
Na ka here ia i tana hariata, i mauria ano hoki e ia tona iwi:
Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
A takiritia ake e ia e ono rau hariata, whiriwhiri rawa, me nga hariata katoa o Ihipa, rite katoa i te rangatira.
Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.
Na whakapakeke ana a Ihowa i te ngakau o Parao kingi o Ihipa, ko te tino whainga i muri i nga tama a Iharaira: tena ko nga tama a Iharaira, kei runga tonu te ringaringa i haere atu ai ratou.
Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
Na whai ana nga Ihipiana i a ratou, nga hoiho katoa, nga hariata a Parao, me ana hoia eke hoiho, me ana mano, a mau rawa ratou, i a ratou e noho ana i te tahatai, i Pihahirota, e titiro atu nei ki Paarahepona.
Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.
A, i te whakatatanga mai o Parao, na ka anga ake nga kanohi o nga tama a Iharaira, na, ko nga Ihipiana e whai ana i muri i a ratou; a tino wehi ana ratou: na ka karanga nga tama a Iharaira ki a Ihowa.
Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
A ka mea ratou ki a Mohi, He onge koia no te urupa o Ihipa i kahaki mai ai koe i a matou ki te koraha mate ai? He aha ra tenei mahi au ki a matou, i arahina mai ai matou e koe i Ihipa?
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
Ehara koia tenei i ta matou kupu i ki ra ki a koe i Ihipa, i mea ra, Waiho ra matou kia whakamahia ana e nga Ihipiana? Pai ke kia whakamahia matou e nga Ihipiana i to matou mate ki te koraha.
Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Na ka mea a Mohi ki te iwi, Kaua e wehi; tu marie, ka titiro atu ki te whakaoranga a Ihowa e whakaputaina mai e ia ki a koutou i tenei ra: no ko nga Ihipiana e kitea atu ra e koutou i tenei ra, e kore e kitea ano e koutou a muri ake nei.
Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Ma Ihowa ta koutou pakanga; ko koutou ia e kore e hamumu.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, He aha koe i karanga ai ki ahau? Ki atu ki nga tama a Iharaira kia maro te haere:
Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.
Na hapainga e koe tau tokotoko, ka whakamaro atu ai i tou ringa ki runga ake i te moana, kia wehea ai; na ka haere atu nga tama a Iharaira ma waenga moana, i te wahi maroke.
Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
A ko ahau, ina, maku e whakapakeke nga ngakau o nga Ihipiana, a ka whai ratou i muri i a ratou: a ka whai kororia ahau i a Parao, i ana mano, i ana hariata, i ana hoia eke hoiho.
dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
A ka mohio nga Ihipiana ko Ihowa ahau, ina whai kororia ahau i a Parao, i ana hariata, i ana hoia eke hoiho.
Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Na ka whakatika te anahera a te Atua, i haere ra i mua i te ope o Iharaira, a haere ana ki muri i a ratou; i neke atu ano te pou kapua i to ratou aroaro, a tu ana i muri i a ratou:
ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
I haere hoki ki waenganui o te nohoanga o nga Ihipiana, o te nohoanga hoki o Iharaira; a tera te kapua me te pouri, otiia e whakamarama ana ia i te po: a kihai tetahi i whakatata ki tetahi a pau katoa te po.
Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Na torona atu ana e Mohi tona ringa ki runga i te moana; a panaia ana ki muri e Ihowa te moana ki tetahi hau nui, ki te marangai, a pau noa taua po, na kua maroke te moana, kua tuwhera nga wai.
Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
A haere ana nga tama a Iharaira i waenga moana ra te wahi maroke: hei taiepa ano nga wai ki a ratou i te taha ki matau, ki maui.
Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
Na ka whai nga Ihipiana, a haere ana i muri i a ratou, nga hoiho katoa a Parao, ana hariata, me ana hoia eke hoiho, ki waenga moana.
Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.
A, i to te ata whakaaraara, na, ka titiro a Ihowa ki te ope o nga Ihipiana, i roto i te pou ahi, i te pou kapua, ka whakararu hoki i te ope o nga Ihipiana,
Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
A whakamareretia ana e ia nga wira o nga hariata, kia puhoi ai te haere: a ka mea nga Ihipiana, Kia oma atu tatou i te aroaro o Iharaira: kei a ratou hoki a Ihowa e whawhai mai ana ki nga Ihipiana.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
Na ka mea a Ihowa ki a Mohi, Whakamarokia tou ringa ki runga i te moana, kia hoki ai nga wai ki runga ki nga Ihipiana, ki a ratou hariata, ki a ratou hoia eke hoiho.
Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
A, ko te whakamarokanga o te ringa o Mohi ki runga i te moana, na takiri rawa ake te ata, kua hoki te moana ki tona tuturutanga; tutataki pu ki nga Ihipiana e rere ana; a taia iho nga Ihipiana e Ihowa ki waenga moana.
Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
A hoki ana nga wai, taupokina iho nga hariata, me nga hoia eke hoiho, me te ope katoa o Parao, i haere i muri i a ratou ki te moana: kihai rawa tetahi o ratou i toe.
Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
Tena ko nga tama a Iharaira, i haere ratou ra te wahi maroke i waenganui o te moana; ko nga wai hoki hei taiepa ki a ratou, ki te taha matau, ki te taha maui.
Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.
A, whakaorangia ana e Ihowa a Iharaira i taua ra i nga ringa o nga Ihipiana; a ka kite a Iharaira i nga Ihipiana i te tahatai, he tupapaku katoa.
Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
A i kite a Iharaira i te mahi nui i mahia e Ihowa ki nga Ihipiana: a ka wehi te iwi a Ihowa, whakapono ana ki a Ihowa, ki tana pononga hoki, ki a Mohi.