Zechariah 5

Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
ואשוב ואשא עיני ואראה והנה מגלה עפה׃
Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
ויאמר אלי מה אתה ראה ואמר אני ראה מגלה עפה ארכה עשרים באמה ורחבה עשר באמה׃
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
ויאמר אלי זאת האלה היוצאת על פני כל הארץ כי כל הגנב מזה כמוה נקה וכל הנשבע מזה כמוה נקה׃
Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.
הוצאתיה נאם יהוה צבאות ובאה אל בית הגנב ואל בית הנשבע בשמי לשקר ולנה בתוך ביתו וכלתו ואת עציו ואת אבניו׃
Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
ויצא המלאך הדבר בי ויאמר אלי שא נא עיניך וראה מה היוצאת הזאת׃
Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra
ואמר מה היא ויאמר זאת האיפה היוצאת ויאמר זאת עינם בכל הארץ׃
(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana.
והנה ככר עפרת נשאת וזאת אשה אחת יושבת בתוך האיפה׃
Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka.
ויאמר זאת הרשעה וישלך אתה אל תוך האיפה וישלך את אבן העפרת אל פיה׃
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7
ואשא עיני וארא והנה שתים נשים יוצאות ורוח בכנפיהם ולהנה כנפים ככנפי החסידה ותשאנה את האיפה בין הארץ ובין השמים׃
Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana.
ואמר אל המלאך הדבר בי אנה המה מולכות את האיפה׃
Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.
ויאמר אלי לבנות לה בית בארץ שנער והוכן והניחה שם על מכנתה׃