Psalms 53

Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
למנצח על מחלת משכיל לדוד אמר נבל בלבו אין אלהים השחיתו והתעיבו עול אין עשה טוב׃
Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
אלהים משמים השקיף על בני אדם לראות היש משכיל דרש את אלהים׃
Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
כלו סג יחדו נאלחו אין עשה טוב אין גם אחד׃
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
הלא ידעו פעלי און אכלי עמי אכלו לחם אלהים לא קראו׃
Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.
שם פחדו פחד לא היה פחד כי אלהים פזר עצמות חנך הבשתה כי אלהים מאסם׃
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
מי יתן מציון ישעות ישראל בשוב אלהים שבות עמו יגל יעקב ישמח ישראל׃