Psalms 54

Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.
למנצח בנגינת משכיל לדוד בבוא הזיפים ויאמרו לשאול הלא דוד מסתתר עמנו אלהים בשמך הושיעני ובגבורתך תדינני׃
Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.
אלהים שמע תפלתי האזינה לאמרי פי׃
Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.
כי זרים קמו עלי ועריצים בקשו נפשי לא שמו אלהים לנגדם סלה׃
Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
הנה אלהים עזר לי אדני בסמכי נפשי׃
Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.
ישוב הרע לשררי באמתך הצמיתם׃
Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.
בנדבה אזבחה לך אודה שמך יהוה כי טוב׃
Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
כי מכל צרה הצילני ובאיבי ראתה עיני׃