Numbers 30

Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.
וידבר משה אל ראשי המטות לבני ישראל לאמר זה הדבר אשר צוה יהוה׃
Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
איש כי ידר נדר ליהוה או השבע שבעה לאסר אסר על נפשו לא יחל דברו ככל היצא מפיו יעשה׃
Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
ואשה כי תדר נדר ליהוה ואסרה אסר בבית אביה בנעריה׃
Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
ושמע אביה את נדרה ואסרה אשר אסרה על נפשה והחריש לה אביה וקמו כל נדריה וכל אסר אשר אסרה על נפשה יקום׃
ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
ואם הניא אביה אתה ביום שמעו כל נדריה ואסריה אשר אסרה על נפשה לא יקום ויהוה יסלח לה כי הניא אביה אתה׃
Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
ואם היו תהיה לאיש ונדריה עליה או מבטא שפתיה אשר אסרה על נפשה׃
Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
ושמע אישה ביום שמעו והחריש לה וקמו נדריה ואסרה אשר אסרה על נפשה יקמו׃
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
ואם ביום שמע אישה יניא אותה והפר את נדרה אשר עליה ואת מבטא שפתיה אשר אסרה על נפשה ויהוה יסלח לה׃
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
ונדר אלמנה וגרושה כל אשר אסרה על נפשה יקום עליה׃
Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
ואם בית אישה נדרה או אסרה אסר על נפשה בשבעה׃
Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
ושמע אישה והחרש לה לא הניא אתה וקמו כל נדריה וכל אסר אשר אסרה על נפשה יקום׃
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
ואם הפר יפר אתם אישה ביום שמעו כל מוצא שפתיה לנדריה ולאסר נפשה לא יקום אישה הפרם ויהוה יסלח לה׃
Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
כל נדר וכל שבעת אסר לענת נפש אישה יקימנו ואישה יפרנו׃
Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
ואם החרש יחריש לה אישה מיום אל יום והקים את כל נדריה או את כל אסריה אשר עליה הקים אתם כי החרש לה ביום שמעו׃
Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.
ואם הפר יפר אתם אחרי שמעו ונשא את עונה׃
Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy. Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
אלה החקים אשר צוה יהוה את משה בין איש לאשתו בין אב לבתו בנעריה בית אביה׃