Numbers 29

Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
ובחדש השביעי באחד לחדש מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו יום תרועה יהיה לכם׃
Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
ועשיתם עלה לריח ניחח ליהוה פר בן בקר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם׃
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר שני עשרנים לאיל׃
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito)
ועשרון אחד לכבש האחד לשבעת הכבשים׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
ושעיר עזים אחד חטאת לכפר עליכם׃
ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
מלבד עלת החדש ומנחתה ועלת התמיד ומנחתה ונסכיהם כמשפטם לריח ניחח אשה ליהוה׃
Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
ובעשור לחדש השביעי הזה מקרא קדש יהיה לכם ועניתם את נפשתיכם כל מלאכה לא תעשו׃
Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
והקרבתם עלה ליהוה ריח ניחח פר בן בקר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם יהיו לכם׃
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר שני עשרנים לאיל האחד׃
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)
עשרון עשרון לכבש האחד לשבעת הכבשים׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
שעיר עזים אחד חטאת מלבד חטאת הכפרים ועלת התמיד ומנחתה ונסכיהם׃
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
ובחמשה עשר יום לחדש השביעי מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו וחגתם חג ליהוה שבעת ימים׃
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
והקרבתם עלה אשה ריח ניחח ליהוה פרים בני בקר שלשה עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם יהיו׃
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
ומנחתם סלת בלולה בשמן שלשה עשרנים לפר האחד לשלשה עשר פרים שני עשרנים לאיל האחד לשני האילם׃
ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)
ועשרון עשרון לכבש האחד לארבעה עשר כבשים׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום השני פרים בני בקר שנים עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny isam-bantotr'ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכיהם׃
Ary amin'ny andro fahatelo koa dia vantotr'ombilahy iraika ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום השלישי פרים עשתי עשר אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
Ary amin'ny andro fahefatra koa dia vantotr'ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום הרביעי פרים עשרה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
מנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר עזים אחד חטאת מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
Ary amin'ny andro fahadimy koa dia vantotr'ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום החמישי פרים תשעה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום הששי פרים שמנה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
ומנחתם ונסכיהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכיה׃
Ary amin'ny andro fahafito koa dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
וביום השביעי פרים שבעה אילם שנים כבשים בני שנה ארבעה עשר תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
ומנחתם ונסכהם לפרים לאילם ולכבשים במספרם כמשפטם׃
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד מנחתה ונסכה׃
Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
ביום השמיני עצרת תהיה לכם כל מלאכת עבדה לא תעשו׃
Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
והקרבתם עלה אשה ריח ניחח ליהוה פר אחד איל אחד כבשים בני שנה שבעה תמימם׃
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak'ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
מנחתם ונסכיהם לפר לאיל ולכבשים במספרם כמשפט׃
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
ושעיר חטאת אחד מלבד עלת התמיד ומנחתה ונסכה׃
Ireo no haterinareo ho an'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
אלה תעשו ליהוה במועדיכם לבד מנדריכם ונדבתיכם לעלתיכם ולמנחתיכם ולנסכיכם ולשלמיכם׃
ויאמר משה אל בני ישראל ככל אשר צוה יהוה את משה׃