Isaiah 16

Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
שלחו כר משל ארץ מסלע מדברה אל הר בת ציון׃
Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
והיה כעוף נודד קן משלח תהיינה בנות מואב מעברת לארנון׃
Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
הביאו עצה עשו פלילה שיתי כליל צלך בתוך צהרים סתרי נדחים נדד אל תגלי׃
Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.
יגורו בך נדחי מואב הוי סתר למו מפני שודד כי אפס המץ כלה שד תמו רמס מן הארץ׃
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
והוכן בחסד כסא וישב עליו באמת באהל דוד שפט ודרש משפט ומהר צדק׃
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
שמענו גאון מואב גא מאד גאותו וגאונו ועברתו לא כן בדיו׃
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
לכן ייליל מואב למואב כלה ייליל לאשישי קיר חרשת תהגו אך נכאים׃
Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
כי שדמות חשבון אמלל גפן שבמה בעלי גוים הלמו שרוקיה עד יעזר נגעו תעו מדבר שלחותיה נטשו עברו ים׃
Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
על כן אבכה בבכי יעזר גפן שבמה אריוך דמעתי חשבון ואלעלה כי על קיצך ועל קצירך הידד נפל׃
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
ונאסף שמחה וגיל מן הכרמל ובכרמים לא ירנן לא ירעע יין ביקבים לא ידרך הדרך הידד השבתי׃
Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
על כן מעי למואב ככנור יהמו וקרבי לקיר חרש׃
Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
והיה כי נראה כי נלאה מואב על הבמה ובא אל מקדשו להתפלל ולא יוכל׃
Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.
זה הדבר אשר דבר יהוה אל מואב מאז׃
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.
ועתה דבר יהוה לאמר בשלש שנים כשני שכיר ונקלה כבוד מואב בכל ההמון הרב ושאר מעט מזער לוא כביר׃