Psalms 15

Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
(大卫的诗。)耶和华啊,谁能寄居你的帐幕?谁能住在你的圣山?
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
就是行为正直、做事公义、心里说实话的人。
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
他不以舌头谗谤人,不恶待朋友,也不随伙毁谤邻里。
Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
他眼中藐视匪类,却尊重那敬畏耶和华的人。他发了誓,虽然自己吃亏也不更改。
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
他不放债取利,不受贿赂以害无辜。行这些事的人必永不动摇。