Psalms 14

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
(大卫的诗,交与伶长。)愚顽人心里说:没有 神。他们都是邪恶,行了可憎恶的事;没有一个人行善。
Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
耶和华从天上垂看世人,要看有明白的没有,有寻求 神的没有。
Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
他们都偏离正路,一同变为污秽;并没有行善的,连一个也没有。
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
作孽的都没有知识吗?他们吞吃我的百姓,如同吃饭一样,并不求告耶和华。
Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
他们在那里大大地害怕,因为 神在义人的族类中。
Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.
你们叫困苦人的谋算变为羞辱;然而耶和华是他的避难所。
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
但愿以色列的救恩从锡安而出。耶和华救回他被掳的子民那时,雅各要快乐,以色列要欢喜。