Leviticus 20

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an'i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
「你还要晓谕以色列人说:凡以色列人,或是在以色列中寄居的外人,把自己的儿女献给摩洛的,总要治死他;本地人要用石头把他打死。
Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an'i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
我也要向那人变脸,把他从民中剪除;因为他把儿女献给摩洛,玷污我的圣所,亵渎我的圣名。
Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an'i Moloka ny zanany,
那人把儿女献给摩洛,本地人若佯为不见,不把他治死,
dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.
我就要向这人和他的家变脸,把他和一切随他与摩洛行邪淫的人都从民中剪除。
Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin'ny fireneny izy.
「人偏向交鬼的和行巫术的,随他们行邪淫,我要向那人变脸,把他从民中剪除。
Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
所以你们要自洁成圣,因为我是耶和华─你们的 神。
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.
你们要谨守遵行我的律例;我是叫你们成圣的耶和华。
Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
凡咒骂父母的,总要治死他;他咒骂了父母,他的罪(罪原文是血;本章同)要归到他身上。
Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
「,与邻舍之妻行淫的,奸夫淫妇都必治死。
Ary ny olona izay mandry amin'ny vadin-drainy dia efa nandry tamin'izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
与继母行淫的,就是羞辱了他父亲,总要把他们二人治死,罪要归到他们身上。
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
与儿妇同房的,总要把他们二人治死;他们行了逆伦的事,罪要归到他们身上。
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
人若与男人苟合,像与女人一样,他们二人行了可憎的事,总要把他们治死,罪要归到他们身上。
Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
人若娶妻,并娶其母,便是大恶,要把这三人用火焚烧,使你们中间免去大恶。
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
人若与兽淫合,总要治死他,也要杀那兽。
Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
女人若与兽亲近,与牠淫合,你要杀那女人和那兽,总要把他们治死,罪要归到他们身上。
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin'ny rainy, na zanakavavin'ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason'ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin'ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
「人若娶他的姊妹,无论是异母同父的,是异父同母的,彼此见了下体,这是可耻的事;他们必在本民的眼前被剪除。他露了姊妹的下体,必担当自己的罪孽。
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa.
妇人有月经,若与她同房,露了她的下体,就是露了妇人的血源,妇人也露了自己的血源,二人必从民中剪除。
Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
不可露姨母或是姑母的下体,这是露了骨肉之亲的下体;二人必担当自己的罪孽。
Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
人若与伯叔之妻同房,就羞辱了他的伯叔;二人要担当自己的罪,必无子女而死。
Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin'izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
人若娶弟兄之妻,这本是污秽的事,羞辱了他的弟兄;二人必无子女。
Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
「所以,你们要谨守遵行我一切的律例典章,免得我领你们去住的那地把你们吐出。
Ary aza manaraka ny fanaon'ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
我在你们面前所逐出的国民,你们不可随从他们的风俗;因为他们行了这一切的事,所以我厌恶他们。
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin'ny firenena samy hafa.
但我对你们说过,你们要承受他们的地,就是我要赐给你们为业、流奶与蜜之地。我是耶和华─你们的 神,使你们与万民有分别的。
Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
所以,你们要把洁净和不洁净的禽兽分别出来;不可因我给你们分为不洁净的禽兽,或是滋生在地上的活物,使自己成为可憎恶的。
Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
你们要归我为圣,因为我─耶和华是圣的,并叫你们与万民有分别,使你们作我的民。
Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
「无论男女,是交鬼的或行巫术的,总要治死他们。人必用石头把他们打死,罪要归到他们身上。」