Jeremiah 12

Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
耶和华啊,我与你争辩的时候,你显为义;但有一件,我还要与你理论:恶人的道路为何亨通呢?大行诡诈的为何得安逸呢?
Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony.
你栽培了他们,他们也扎了根,长大,而且结果。他们的口是与你相近,心却与你远离。
Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin'ny andro hamonoana.
耶和华啊,你晓得我,看见我,察验我向你是怎样的心。求你将他们拉出来,好像将宰的羊,叫他们等候杀戮的日子。
Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
这地悲哀,通国的青草枯干,要到几时呢?因其上居民的恶行,牲畜和飞鸟都灭绝了。他们曾说:他看不见我们的结局。
Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana?
耶和华说:你若与步行的人同跑,尚且觉累,怎能与马赛跑呢?你在平安之地,虽然安稳,在约旦河边的丛林要怎样行呢?
Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.
因为连你弟兄和你父家都用奸诈待你。他们也在你后边大声喊叫,虽向你说好话,你也不要信他们。
Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.
我离了我的殿宇,撇弃我的产业,将我心里所亲爱的交在他仇敌的手中。
Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
我的产业向我如林中的狮子,她发声攻击我,因此我恨恶她。
Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
我的产业向我岂如斑点的鸷鸟呢?鸷鸟岂在她四围攻击她呢?你们要去聚集田野的百兽,带来吞吃吧!
Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
许多牧人毁坏我的葡萄园,践踏我的分,使我美好的分变为荒凉的旷野。
Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.
他们使地荒凉;地既荒凉,便向我悲哀。全地荒凉,因无人介意。
Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.
灭命的都来到旷野中一切净光的高处;耶和华的刀从地这边直到地那边尽行杀灭。凡有血气的都不得平安。
Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
他们种的是麦子,收的是荆棘;劳劳苦苦却毫无益处。因耶和华的烈怒,你们必为自己的土产羞愧。
Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
耶和华如此说:「一切恶邻,就是占据我使百姓以色列所承受产业的,我要将他们拔出本地,又要将犹大家从他们中间拔出来。
Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
我拔出他们以后,我必转过来怜悯他们,把他们再带回来,各归本业,各归故土。
Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;
他们若殷勤学习我百姓的道,指著我的名起誓说:『我指著永生的耶和华起誓』,正如他们从前教我百姓指著巴力起誓,他们就必建立在我百姓中间。
Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.
他们若是不听,我必拔出那国,拔出而且毁灭。这是耶和华说的。」