Jeremiah 13

Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
耶和华对我如此说:「你去买一根麻布带子束腰,不可放在水中。」
Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
我就照著耶和华的话,买了一根带子束腰。
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
耶和华的话第二次临到我说:
Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
「要拿著你所买的腰带,就是你腰上的带子,起来往幼发拉底河去,将腰带藏在那里的磐石穴中。」
Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
我就去,照著耶和华所吩咐我的,将腰带藏在幼发拉底河边。
Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
过了多日,耶和华对我说:「你起来往幼发拉底河去,将我吩咐你藏在那里的腰带取出来。」
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
我就往幼发拉底河去,将腰带从我所藏的地方刨出来,见腰带已经变坏,毫无用了。
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
耶和华的话临到我说:
Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema.
「耶和华如此说:我必照样败坏犹大的骄傲和耶路撒冷的大骄傲。
Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
这恶民不肯听我的话,按自己顽梗的心而行,随从别神,事奉敬拜,他们也必像这腰带变为无用。」
Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
耶和华说:「腰带怎样紧贴人腰,照样,我也使以色列全家和犹大全家紧贴我,好叫他们属我为子民,使我得名声,得颂讚,得荣耀;他们却不肯听。」
Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
「所以你要对他们说:『耶和华─以色列的 神如此说:各罈都要盛满了酒。』他们必对你说:『我们岂不确知各罈都要盛满了酒呢?』
Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
你就要对他们说:『耶和华如此说:我必使这地的一切居民,就是坐大卫宝座的君王和祭司,与先知,并耶路撒冷的一切居民,都酩酊大醉。』」
Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
耶和华说:「我要使他们彼此相碰,就是父与子彼此相碰;我必不可怜,不顾惜,不怜悯,以致灭绝他们。」
Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
你们当听,当侧耳而听。不要骄傲,因为耶和华已经说了。
Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
耶和华─你们的 神未使黑暗来到,你们的脚未在昏暗山上绊跌之先,当将荣耀归给他;免得你们盼望光明,他使光明变为死荫,成为幽暗。
Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
你们若不听这话,我必因你们的骄傲在暗地哭泣;我眼必痛哭流泪,因为耶和华的群众被掳去了。
Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
你要对君王和太后说:你们当自卑,坐在下边;因你们的头巾,就是你们的华冠,已经脱落了。
Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
南方的城尽都关闭,无人开放;犹大全被掳掠,且掳掠净尽。
Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
你们要举目观看从北方来的人。先前赐给你的群众,就是你佳美的群众,如今在哪里呢?
Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
耶和华立你自己所交的朋友为首,辖制你,那时你还有什么话说呢?痛苦岂不将你抓住像产难的妇人么?
Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
你若心里说:这一切事为何临到我呢?你的衣襟揭起,你的脚跟受伤,是因你的罪孽甚多。
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
古实人岂能改变皮肤呢?豹岂能改变斑点呢?若能,你们这习惯行恶的便能行善了。
Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
所以我必用旷野的风吹散他们,像吹过的碎秸一样。
Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.
耶和华说:这是你所当得的,是我量给你的分;因为你忘记我,倚靠虚假(或译:偶像)。
Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao.
所以我要揭起你的衣襟,蒙在你脸上,显出你的丑陋。
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
你那些可憎恶之事─就是在田野的山上行奸淫,发嘶声,做淫乱的事─我都看见了。耶路撒冷啊,你有祸了!你不肯洁净,还要到几时呢?