II Chronicles 18

Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.
约沙法大有尊荣资财,就与亚哈结亲。
Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
过了几年,他下到撒马利亚去见亚哈;亚哈为他和跟从他的人宰了许多牛羊,劝他与自己同去攻取基列的拉末。
Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
以色列王亚哈问犹大王约沙法说:「你肯同我去攻取基列的拉末吗?」他回答说:「你我不分彼此,我的民与你的民一样,必与你同去争战。」
Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
约沙法对以色列王说:「请你先求问耶和华。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho ? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
于是以色列王招聚先知四百人,问他们说:「我们上去攻取基列的拉末可以不可以?」他们说:「可以上去,因为 神必将那城交在王的手里。」
Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
约沙法说:「这里不是还有耶和华的先知,我们可以求问他吗?」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
以色列王对约沙法说:「还有一个人,是音拉的儿子米该雅。我们可以托他求问耶和华,只是我恨他;因为他指著我所说的预言,不说吉语,常说凶言。」约沙法说:「王不必这样说。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
以色列王就召了一个太监来,说:「你快去将音拉的儿子米该雅召来。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
以色列王和犹大王约沙法在撒马利亚城门前的空场上,各穿朝服坐在位上,所有的先知都在他们面前说预言。
Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
基拿拿的儿子西底家造了两个铁角,说:「耶和华如此说:『你要用这角牴触亚兰人,直到将他们灭尽。』」
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
所有的先知也都这样预言说:「可以上基列的拉末去,必然得胜,因为耶和华必将那城交在王的手中。」
Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
那去召米该雅的使者对米该雅说:「众先知一口同音地都向王说吉言,你不如与他们说一样的话,也说吉言。」
Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
米该雅说:「我指著永生的耶和华起誓,我的 神说什么,我就说什么。」
Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
米该雅到王面前,王问他说:「米该雅啊,我们上去攻取基列的拉末可以不可以?」他说:「可以上去,必然得胜,敌人必交在你们手里。」
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
王对他说:「我当嘱咐你几次,你才奉耶和华的名向我说实话呢?」
Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
米该雅说:「我看见以色列众民散在山上,如同没有牧人的羊群一般。耶和华说:『这民没有主人,他们可以平平安安地各归各家去。』」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
以色列王对约沙法说:「我岂没有告诉你,这人指著我所说的预言,不说吉语,单说凶言吗?」
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
米该雅说:「你们要听耶和华的话。我看见耶和华坐在宝座上,天上的万军侍立在他左右。
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
耶和华说:『谁去引诱以色列王亚哈上基列的拉末去阵亡呢?』这个就这样说,那个就那样说。
Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
随后,有一个神灵出来,站在耶和华面前说:『我去引诱他。』耶和华问他说:『你用何法呢?』
Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
他说:『我去,要在他众先知口中作谎言的灵。』耶和华说:『这样,你必能引诱他,你去如此行吧!』
Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
现在耶和华使谎言的灵入了你这些先知的口,并且耶和华已经命定降祸与你。」
Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
基拿拿的儿子西底家前来打米该雅的脸,说:「耶和华的灵从哪里离开我与你说话呢?」
Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.
米该雅说:「你进严密的屋子藏躲的那日,就必看见了。」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanana, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
以色列王说:「将米该雅带回,交给邑宰亚们和王的儿子约阿施,说:
ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
王如此说:把这个人下在监里,使他受苦,吃不饱喝不足,等候我平平安安地回来。
Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
米该雅说:「你若能平安回来,那就是耶和华没有借我说这话了」;又说:「众民哪,你们都要听!」
Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
以色列王和犹大王约沙法上基列的拉末去了。
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin'ny ady.
以色列王对约沙法说:「我要改装上阵,你可以仍穿王服。」于是以色列王改装,他们就上阵去了。
Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy Ireo komandin'ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
先是亚兰王吩咐车兵长说:「他们的兵将,无论大小,你们都不可与他们争战,只要与以色列王争战。」
Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;
车兵长看见约沙法便说,这必是以色列王,就转过去与他争战。约沙法一呼喊,耶和华就帮助他, 神又感动他们离开他。
ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
车兵长见不是以色列王,就转去不追他了。
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelenalen'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny mpiady aho, fa voa.
有一人随便开弓,恰巧射入以色列王的甲缝里。王对赶车的说:「我受了重伤,你转过车来,拉我出阵吧!」
Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjakan'ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.
那日阵势越战越猛,以色列王勉强站在车上抵挡亚兰人,直到晚上。约在日落的时候,王就死了。