Malachi 1

משא דבר יהוה אל ישראל ביד מלאכי׃
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
אהבתי אתכם אמר יהוה ואמרתם במה אהבתנו הלוא אח עשו ליעקב נאם יהוה ואהב את יעקב׃
Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
ואת עשו שנאתי ואשים את הריו שממה ואת נחלתו לתנות מדבר׃
fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra.
כי תאמר אדום רששנו ונשוב ונבנה חרבות כה אמר יהוה צבאות המה יבנו ואני אהרוס וקראו להם גבול רשעה והעם אשר זעם יהוה עד עולם׃
Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
ועיניכם תראינה ואתם תאמרו יגדל יהוה מעל לגבול ישראל׃
Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely.
בן יכבד אב ועבד אדניו ואם אב אני איה כבודי ואם אדונים אני איה מוראי אמר יהוה צבאות לכם הכהנים בוזי שמי ואמרתם במה בזינו את שמך׃
Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
מגישים על מזבחי לחם מגאל ואמרתם במה גאלנוך באמרכם שלחן יהוה נבזה הוא׃
Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
וכי תגשון עור לזבח אין רע וכי תגישו פסח וחלה אין רע הקריבהו נא לפחתך הירצך או הישא פניך אמר יהוה צבאות׃
Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
ועתה חלו נא פני אל ויחננו מידכם היתה זאת הישא מכם פנים אמר יהוה צבאות׃
Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
מי גם בכם ויסגר דלתים ולא תאירו מזבחי חנם אין לי חפץ בכם אמר יהוה צבאות ומנחה לא ארצה מידכם׃
Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
כי ממזרח שמש ועד מבואו גדול שמי בגוים ובכל מקום מקטר מגש לשמי ומנחה טהורה כי גדול שמי בגוים אמר יהוה צבאות׃
Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
ואתם מחללים אותו באמרכם שלחן אדני מגאל הוא וניבו נבזה אכלו׃
Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
ואמרתם הנה מתלאה והפחתם אותו אמר יהוה צבאות והבאתם גזול ואת הפסח ואת החולה והבאתם את המנחה הארצה אותה מידכם אמר יהוה׃
Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah.
וארור נוכל ויש בעדרו זכר ונדר וזבח משחת לאדני כי מלך גדול אני אמר יהוה צבאות ושמי נורא בגוים׃
Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.