Jeremiah 22

כה אמר יהוה רד בית מלך יהודה ודברת שם את הדבר הזה׃
Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
ואמרת שמע דבר יהוה מלך יהודה הישב על כסא דוד אתה ועבדיך ועמך הבאים בשערים האלה׃
Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto:
כה אמר יהוה עשו משפט וצדקה והצילו גזול מיד עשוק וגר יתום ואלמנה אל תנו אל תחמסו ודם נקי אל תשפכו במקום הזה׃
Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity.
כי אם עשו תעשו את הדבר הזה ובאו בשערי הבית הזה מלכים ישבים לדוד על כסאו רכבים ברכב ובסוסים הוא ועבדו ועמו׃
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
ואם לא תשמעו את הדברים האלה בי נשבעתי נאם יהוה כי לחרבה יהיה הבית הזה׃
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
כי כה אמר יהוה על בית מלך יהודה גלעד אתה לי ראש הלבנון אם לא אשיתך מדבר ערים לא נושבה׃
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
וקדשתי עליך משחתים איש וכליו וכרתו מבחר ארזיך והפילו על האש׃
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
ועברו גוים רבים על העיר הזאת ואמרו איש אל רעהו על מה עשה יהוה ככה לעיר הגדולה הזאת׃
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
ואמרו על אשר עזבו את ברית יהוה אלהיהם וישתחוו לאלהים אחרים ויעבדום׃
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
אל תבכו למת ואל תנדו לו בכו בכו להלך כי לא ישוב עוד וראה את ארץ מולדתו׃
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
כי כה אמר יהוה אל שלם בן יאשיהו מלך יהודה המלך תחת יאשיהו אביו אשר יצא מן המקום הזה לא ישוב שם עוד׃
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
כי במקום אשר הגלו אתו שם ימות ואת הארץ הזאת לא יראה עוד׃
Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
הוי בנה ביתו בלא צדק ועליותיו בלא משפט ברעהו יעבד חנם ופעלו לא יתן לו׃
Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
האמר אבנה לי בית מדות ועליות מרוחים וקרע לו חלוני וספון בארז ומשוח בששר׃
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
התמלך כי אתה מתחרה בארז אביך הלוא אכל ושתה ועשה משפט וצדקה אז טוב לו׃
Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
דן דין עני ואביון אז טוב הלוא היא הדעת אתי נאם יהוה׃
Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
כי אין עיניך ולבך כי אם על בצעך ועל דם הנקי לשפוך ועל העשק ועל המרוצה לעשות׃
Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
לכן כה אמר יהוה אל יהויקים בן יאשיהו מלך יהודה לא יספדו לו הוי אחי והוי אחות לא יספדו לו הוי אדון והוי הדה׃
Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
קבורת חמור יקבר סחוב והשלך מהלאה לשערי ירושלם׃
Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
עלי הלבנון וצעקי ובבשן תני קולך וצעקי מעברים כי נשברו כל מאהביך׃
Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
דברתי אליך בשלותיך אמרת לא אשמע זה דרכך מנעוריך כי לא שמעת בקולי׃
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
כל רעיך תרעה רוח ומאהביך בשבי ילכו כי אז תבשי ונכלמת מכל רעתך׃
Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
ישבתי בלבנון מקננתי בארזים מה נחנת בבא לך חבלים חיל כילדה׃
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka!
חי אני נאם יהוה כי אם יהיה כניהו בן יהויקים מלך יהודה חותם על יד ימיני כי משם אתקנך׃
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
ונתתיך ביד מבקשי נפשך וביד אשר אתה יגור מפניהם וביד נבוכדראצר מלך בבל וביד הכשדים׃
Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
והטלתי אתך ואת אמך אשר ילדתך על הארץ אחרת אשר לא ילדתם שם ושם תמותו׃
Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
ועל הארץ אשר הם מנשאים את נפשם לשוב שם שמה לא ישובו׃
Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
העצב נבזה נפוץ האיש הזה כניהו אם כלי אין חפץ בו מדוע הוטלו הוא וזרעו והשלכו על הארץ אשר לא ידעו׃
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
ארץ ארץ ארץ שמעי דבר יהוה׃
Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.
כה אמר יהוה כתבו את האיש הזה ערירי גבר לא יצלח בימיו כי לא יצלח מזרעו איש ישב על כסא דוד ומשל עוד ביהודה׃
Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony