Amos 6

הוי השאננים בציון והבטחים בהר שמרון נקבי ראשית הגוים ובאו להם בית ישראל׃
Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
עברו כלנה וראו ולכו משם חמת רבה ורדו גת פלשתים הטובים מן הממלכות האלה אם רב גבולם מגבלכם׃
Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?
המנדים ליום רע ותגישון שבת חמס׃
Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
השכבים על מטות שן וסרחים על ערשותם ואכלים כרים מצאן ועגלים מתוך מרבק׃
Dia ireo izay mandrimandry ao amin'ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin'ny fandriandriany ary homana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ny ondry sy ny zanak'omby avy ao am-pahitra,
הפרטים על פי הנבל כדויד חשבו להם כלי שיר׃
Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon'i Davida,
השתים במזרקי יין וראשית שמנים ימשחו ולא נחלו על שבר יוסף׃
Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
לכן עתה יגלו בראש גלים וסר מרזח סרוחים׃
Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
נשבע אדני יהוה בנפשו נאם יהוה אלהי צבאות מתאב אנכי את גאון יעקב וארמנתיו שנאתי והסגרתי עיר ומלאה׃
Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
והיה אם יותרו עשרה אנשים בבית אחד ומתו׃
Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
ונשאו דודו ומסרפו להוציא עצמים מן הבית ואמר לאשר בירכתי הבית העוד עמך ואמר אפס ואמר הס כי לא להזכיר בשם יהוה׃
Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah.
כי הנה יהוה מצוה והכה הבית הגדול רסיסים והבית הקטן בקעים׃
Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
הירצון בסלע סוסים אם יחרוש בבקרים כי הפכתם לראש משפט ופרי צדקה ללענה׃
Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
השמחים ללא דבר האמרים הלוא בחזקנו לקחנו לנו קרנים׃
Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
כי הנני מקים עליכם בית ישראל נאם יהוה אלהי הצבאות גוי ולחצו אתכם מלבוא חמת עד נחל הערבה׃
Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.