Revelation of John 19

此后,我听见好像群众在天上大声说:哈利路亚(就是要讚美耶和华的意思)!救恩、荣耀、权能都属乎我们的 神!
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
他的判断是真实公义的;因他判断了那用淫行败坏世界的大淫妇,并且向淫妇讨流仆人血的罪,给他们伸冤。
Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
又说:哈利路亚!烧淫妇的烟往上冒,直到永永远远。
Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.
那二十四位长老与四活物就俯伏敬拜坐宝座的 神,说:阿们!哈利路亚!
Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
有声音从宝座出来说: 神的众仆人哪,凡敬畏他的,无论大小,都要讚美我们的 神!
Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
我听见好像群众的声音,众水的声音,大雷的声音,说:哈利路亚!因为主─我们的 神、全能者作王了。
Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
我们要欢喜快乐,将荣耀归给他。因为,羔羊婚娶的时候到了;新妇也自己预备好了,
Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
就蒙恩得穿光明洁白的细麻衣。(这细麻衣就是圣徒所行的义。)
Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.
天使吩咐我说:你要写上:凡被请赴羔羊之婚筵的有福了!又对我说:这是 神真实的话。
Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.
我就俯伏在他脚前要拜他。他说:千万不可!我和你,并你那些为耶稣作见证的弟兄同是作仆人的,你要敬拜 神。因为预言中的灵意乃是为耶稣作见证。
Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
我观看,见天开了。有一匹白马,骑在马上的称为诚信真实,他审判,争战,都按著公义。
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
他的眼睛如火焰,他头上戴著许多冠冕;又有写著的名字,除了他自己没有人知道。
Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
他穿著溅了血的衣服;他的名称为 神之道。
Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.
在天上的众军骑著白马,穿著细麻衣,又白又洁,跟随他。
Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
有利剑从他口中出来,可以击杀列国。他必用铁杖辖管(辖管:原文是牧)他们,并要踹全能 神烈怒的酒醡。
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
在他衣服和大腿上有名写著说:万王之王,万主之主。
Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
我又看见一位天使站在日头中,向天空所飞的鸟大声喊著说:你们聚集来赴 神的大筵席,
Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra,
可以吃君王与将军的肉,壮士与马和骑马者的肉,并一切自主的为奴的,以及大小人民的肉。
mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
我看见那兽和地上的君王,并他们的众军都聚集,要与骑白马的并他的军兵争战。
Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany.
那兽被擒拿;那在兽面前曾行奇事、迷惑受兽印记和拜兽像之人的假先知,也与兽同被擒拿。他们两个就活活的被扔在烧著硫磺的火湖里;
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
其余的被骑白马者口中出来的剑杀了;飞鸟都吃饱了他们的肉。
Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.