Isaiah 25

耶和华啊,你是我的 神;我要尊崇你,我要称讚你的名。因为你以忠信诚实行过奇妙的事,成就你古时所定的。
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
你使城变为乱堆,使坚固城变为荒场,使外邦人宫殿的城不再为城,永远不再建造。
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
所以,刚强的民必荣耀你;强暴之国的城必敬畏你。
Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
因为当强暴人催逼人的时候,如同暴风直吹墙壁,你就作贫穷人的保障,作困乏人急难中的保障,作躲暴风之处,作避炎热的阴凉。
Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
你要压制外邦人的喧哗,好像干燥地的热气下落;禁止强暴人的凯歌,好像热气被云影消化。
Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
在这山上,万军之耶和华必为万民用肥甘设摆筵席,用陈酒和满髓的肥甘,并澄清的陈酒,设摆筵席。
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
他又必在这山上除灭遮盖万民之物和遮蔽万国蒙脸的帕子。
Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
他已经吞灭死亡直到永远。主耶和华必擦去各人脸上的眼泪,又除掉普天下他百姓的羞辱,因为这是耶和华说的。
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
到那日,人必说:看哪,这是我们的 神;我们素来等候他,他必拯救我们。这是耶和华,我们素来等候他,我们必因他的救恩欢喜快乐。
Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
耶和华的手必按在这山上;摩押人在所居之地必被践踏,好像干草被践踏在粪池的水中。
Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
他必在其中伸开手,好像洑水的伸开手洑水一样;但耶和华必使他的骄傲和他手所行的诡计一并败落。
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.
耶和华使你城上的坚固高台倾倒,拆平,直到尘埃。
Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.